airtel

Sosialy

20-nov-2023

VOKATRY NY FAHASAHIRANANA

Mitombo isa ireo Malagasy matimaty foana

Sample post image

Mitombo isa hatrany ireo Malagasy mamoy ny ainy tsy fidiny vokatry ny tsy fisiana sy ny fahasahiranana.

20-nov-2023

Ankoatra ny fihinanana sakafo tapa-kibo indray mandeha isan’andro sisa dia tsy vitsy ireo tsy mahaloa hofantrano intsony ka lasa mipetraka any anaty dabam-pako sy eny amoron-dalana. Tsy misy hafa amin’izany ny nanjo ilay Raim-pianakaviana iray monina ao amin’ny Carrier Imandry Fianarantsoa. Ao anaty dabam-pako mihitsy izy no mipetraka ary namoy ny ainy ny faran’ny herinandro teo. Raha ny tombana dia mety ho noana no sady nangatsiaka ity Raim-pianakaviana ity antony namoizany ny ainy tsy fidiny. Toraka izany koa ny nanjo ilay Raim-pianakaviana iray izay naterin’ny zandary avy ao Ambohidratrimo tao amin’ny CHU Anosiala tamin’ny Alakamisy lasa teo. Tena narary mafy io Rangahy io raha araka ny fantatra ka nomen’ireo mpitsabo tao an-toerana ny fikarakarana rehetra toy ny tao amin'ny vonjy taitra sy ny sampana fameloman'aina. Na izany aza anefa dia tsy tana ny ainy. Raha araka ny vaovao azo dia tsy nisy mpanaraka Itompokolahy fony fahavelony ary tsy mbola nisy fianakaviany naka koa ny nofo mangatsiakany hatramin’ny faran’ny herinandro teo. Porofo mivaingana avokoa izany rehetra izany fa tena sahirana ny Malagasy. Na ny handevina ny fianakaviana maty aza efa hialana bala vokatry ny hasarotan’ny fiainana.
Pati
Legende : Ity ilay Raim-pianakaviana namoy ny ainy tao amin’ny CHU Anosiala !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap