airtel

Sosialy

05-sept-2022

Sosialy

Vokatry ny hasarotan’ny fiainana Mitombo isa ireo tsy afaka mitsabo tena intsony

Sample post image

Tena mihasarotra hatrany ny fiainana. Izay ahitana ny hanin-ko hanina isan’andro sisa araka izany no laharam-pahamehana ho an’ny isan-tokantrano fa ny ankoatra izay dia tsy misy intsony.

05-sept-2022

Izany fitsaboan-tena izany moa dia tsy misy intsony raha tsy sanatria efa tena ambavahoana. 20.000 Ar mantsy raha kely amin’izao ny mizaha fahasalamana any amin’ireny tobim-pitsaboana tsy miankina ireny ankoatra ny vidim-panafody izay mety hahatratra hatrany amin’ny 40.000 Ar any raha mora indrindra ho an’ny marary iray. Hifandrombahana hatrany araka izany raha vantany vao misy ireny karazana hetsika fizaham-pahasalamana maimaimpoana ireny. Ho an’ny tetsy amin’ny CSB II Faliarivo Ampitatafika manokana ohatra tamin’ny Sabotsy teo dia olona an-jatony no tonga nizaha fahasalamana tao amin’ity hopitalim-panjakana iray ity. Ankoatra ny fitiliana ny aretina diabeta, ny tosi-dra, ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza, ny fanentanana momba ny fanabeazana aizana ho an’ny vehivavy mantsy dia nisy ihany koa ny fizaham-pahasalamana tamin’ny ankapobeny toy ny fijerena maso, ny fanalana nify….Niarahan’ny kaominina Ampitatafika tamin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izany hetsika izany. Nambaran’ireo mpahazo tombontsoa tamin’izany moa fa irarian’izy ireo hatrany ny hitohizan’ny hetsika tahaka izao ho fanalana fahasahiranana azy. Vola avokoa mantsy raha vantany vao manatona tobim-pitsaboana na dia ho an’ireo miankina amin’ny fanjakana aza. Tsy maintsy misy hoy ny Renim-pianakaviana iray ny fanafody vidiana nefa ny hanin-kohanina ihany koa tsy maintsy mbola tadiavina.
Pati
Legende : Marobe tahaka izao ireo olona nilahatra nijery maso
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap
22-avril-2024

Ela ny ela fa nampitandrina ny orinasa JIRAMA ihany ireo mponina eny Fenoarivo sy Alakamisy

Card image cap
19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap