airtel

Sosialy

18-mai-2022

Sosialy

Vola CNaPS, karama, fitantanana… Miantso vonjy ny mpiasan’ny INSTAT

Sample post image

Nanao fanambarana tetsy amin’ny INSTAT Anosy omaly ireo mpiasa eo anivon’ny INSTAT izay mandray zo tsy miankina na “droit privé”.

18-mai-2022

Manoloana ny tsy fisian’ny vahaolana tamin’ny fihaonana notarihin’ny mpitantana teto amin’ny INSTAT sy ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola ny amin’ny famahana ireto olana ireto, hoy izy ireo, dia ny tsy fandoavana ny latsakemboka CNaPS nanomboka ny taona 1996, izay mitentina 1,200 tapitrisa miliara ariary, araka ny lalàna laharana 2003-044 mikasika ny sata mifehy ny asa na “code de travail” sy ny didim-panjakana laharana 98-298 ny 02-04-1998 (Titre II) sy ny fanapahana 62-108 ny 1 oktobra 1962 (Titre II sy III). Eo koa ny tsy fisian’ny fanonerana ny vola lany amin’ny fitsaboana sy fampidirana ny mpiasa amin’ny toeram-pitsaboana toy ny OSTIE araka ny sata mifehy ny asa (Titre IV) mahakasika ny fiahiana ara-tsosialy. Sata mifehy ny asa laharana 2003-044. Eo koa ny tsy fampiharana ny fisondrotan-karama sy fampidirana ny “indemnité de technicité” ary ny fampiakarana ny “indemnité de logement”, araka ny didim-panjakana laharana 98-298 ny 2 aprily 1998 (Titre II) sy ny fanapahana 62-108 ny 1 oktobra 1962 (titre II sy III). Eo koa ny fisian’ny elanelana be loatra eo amin’ny fitantanana ny mpiasa ato amin’ny INSTAT nanomboka ny taona 2020. Miantso anao izahay andriamatoa filoham-pirenena. Vonjeo izahay! Jereo izahay mpiasa ato amin’ny INSTAT, izay lazaina fa mpiasa “droit privé” fa tsy misitraka ny zo fototry ny mpiasa sy anjakan’ny tsy fitoviam-pitondrana na “inégalité de traitement”. Vonjeo izahay andriamatoa lehiben’ny governemanta ary miangavy izahay ny handraisanao an-tanana ny famahana ireo olana ireo faran’izay mety satria efa betsaka ny mpiasa no lasa retirety sy ny maty am-perinasa nefa tsy mba nisitraka ireo zo fototra ireo. Fampidirana ho mpiasam-panjakana ihany no vahaolana. Arotsay hay ilay CNaPS. 400 no isanay tany aloha. 170 izao sisa. Efa tsy misy EPIC izay intsony izao ny mpiasan’ny INSTAT manerantany. Ovay ho lasa EPA io sata io. Misy efa 33 taona niasana ato fa tsy misy CNaPS sy OSTIE, hoy hatrany izy ireo. J. Mirija Legende: Tetsy Anosy omaly
 

 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap
22-avril-2024

Ela ny ela fa nampitandrina ny orinasa JIRAMA ihany ireo mponina eny Fenoarivo sy Alakamisy

Card image cap
19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap