Tena mahazo vola ireo olona mpaka vola rovitra na simba amin'ireo mpanjifany eto an-drenivohitra. An-tsasa-bidibe izao mantsy no hividianan'izy ireny ny iray amin'izy ireny izay tena hahazoany tombony 100 % tokoa. Raha 5.000 Ar ohatra ilay vola rovitra, raha araka ny fanadihadiana natao dia 2.500 Ar no hividianany azy. Raha 10.000 Ar ilay vola rovitra na simba dia 5.000 Ar no hividianany azy....Betsaka amin'ireo mañana vola rovitra na simba rahateo no tsy manam-potoana hilaharanabe eny amin'ny banky foibe mba hanakalozana izany, indrindra raha telo na roa monja no hatakalo. Mampahatsiahy anefa ny eo anivon'ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) fa maimaim-poana ny fanakalozana vola rovitra na simba ao amin'izy ireo raha mbola manan-kery sy ara-dalàna izay tokony ho feno ao aminy. Mbola mihoatra ny an-tsasany (+51%) ohatra ny faritr'ilay vola mba hahafahana manamarina azy. Mbola hita mazava ihany koa ny laharam-pamantarana ary mitondra ny karapanondrom-pirenena ilay mpanakalo. Na izany aza anefa dia indroa isam-bolana vao mandeha manakalo ireny vola rovitra na simba ireny ireo mpanao izany. Miandry azy ireny ho betsaka mantsy izy ireo mba hahazoany tombony betsaka ihany koa. Mahavita mitety tanana roa isaky mandeha izy ireo raha kely, indrindra fa ny any ambanivohitra. Fianakaviana maro no mivelona amin'ity asa ity eto amintsika.
Pati
Légende : Betsaka amin'ireo vola mivezivezy eny rehetra eny no efa rovitra sy simba !