airtel

Sosialy

07-juin-2022

Sosialy

Vondron’olona ifotony miisa 5 Nanavao fifanarahana 10 taona amin’Ambatovy

Sample post image

Vondron’olona Ifotony (VOI) miisa 5 eny amin’ny manodidina ny toeram-pitrandrahan’Ambatovy ao Moramanga izay nisitraka tohana teo amin’ny lafiny maro avy amin’Ambatovy no nanavao ho 10 taona ny fifanarahana fitantanana

07-juin-2022

haren-javaboahary any an-toerana ny 24 sy 25 mey 2022, hoy ny fampitam-baovaon’Ambatovy ny faran’ny herinandro teo. Nahita fahombiazana izy ireo nandritra ireo dingana roa teo aloha izay samy naharitra 3 taona avy, araka ny tombana nataon’ny sampan-draharahan’ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (CIREDD) ao Moramanga, hany ka afaka nanavao ny fifanarahana ho folo taona, hoy ny fanazavana. Nanao sonia ny fifanarahana niaraka tamin’ny CIREDD Moramanga sy ny Kaominina Ambanivohitra Ambohibary ireo VOI. Ezaka sy fandrosoana, Ambohimanarivo Ala Maintso (AAM) ary Miaro ny Tontolo Iainana (MTI), ny 24 mey 2022, tao Ampitambe Moramanga. Ny ampitson’io kosa, ny 25 mey 2022, no nanatanteraka ny azy tao Marovoay, kaominina Ambanivohitra Morarano Gara, ny VOI Velonaina (Marovoay) sy Telomira (Ambohibolakely). Nanampy ireo VOI teo amin’ny lafiny teknika tamin’ny fitantanana ny haren- javaboahary sy fanatsarana ireo asa fidiram-bolan’ireo mpikambana ao aminy Ambatovy mba hanenana ny fiankinan-dohan’izy ireo amin’ny ala. Vondron’olona miisa 9 manodidina ny faritra arovan’Ambatovy no nahazo famindram-pitantanana haren-javaboahary avy amin’ny fanjakana malagasy, ka ny 7 amin’ireo no miara-miasa mivantana amin’Ambatovy, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap