Taorian'ny fotoam-pivavahana fitondràna am-bavaka ny firenena tetsy amin'ny FJKM Ambatomena sy ho fanamarihana ny datin'ny 14 oktobra 1958 omaly dia nanohy izany tamin'ny fanambaràna nataony tetsy amin'ny Le Pavé Antaninarenina ny VFKF na Vovonana famerenan-kasina ny fokonolona, izay tohanan’ny HFKF na Hetsika fampiraisana Kristianina ho an'ny firenena. Nanao antsoavo izy ireo ho an'ny vahoaka malagasy, mpitondra fanjakàna, raiamandreny am-panahy na ara-drazana, ny Fokonolona manerana an’i Madagasikara. 68 taona aty aorian'ny 14 oktobra 1958 isika izao, hoy ny VKMF. Miatrika fanontaniana lehibe isika, hoy izy ireo. Ahoana no hanavaozantsika ny firenena ary ho aiza no hitondrantsika azy? Izahay Vovonana kamerenan-kasina ny Fokonolona na VFKF, tohanan’ny HFKF, dia mijoro manao izao filazàna izao. «Fanavaozana miaraka amin’Andriamanitra tsitoha sy amin’ny alalan’ny Fokonolona no hanavaozantsika an’i Madagasikara.». Hatramin’ny volana martsa, niombona tamin’izany tanjona izany izahay. Izao fisehoanay ampahibemaso voalohany izao dia antso ho amin’ny andraikitra iombonana. Rafi-panasoavana, rafi-pitondràna manaja ny hasin’ny olona, mampijoro ny Fokonolona, izany hoe, mampandray andraikitra ny rehetra ary miaro ny soa iombonana no katsahintsika. Maratra ny firenena satria maratra ny fiarahamonina. Rava ny fifampitokisana, maro ny ankohonana sahirana, tanora maro no very fanàntenana. Mila sitranina ireo ratra ireo mba haharetan’ny fanorenana. Miantso antsika Malagasy rehetra mba hibebaka, hiala amin’ny ratsy fanao, hiverina amin’Andriamanitra, hiala amin’ny kolikoly, ny fankahalàna ary ny fitiavan-tena. Antsoina ny fiarahamonina hifampihaino, hifamela, hanaiky ny marina ary hanarina ny tsy rariny. Ny fampihavanana dia mitaky fahamarinana sy andraikitra, ary manandrify izany ny famerenana ny hasin’ny Fokonolona. Ho an’ny Kristianina, izay maro amin’ny malagasy dia i Jesosy Kristy no loharanon’izany fanavaozana izany. Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny voasoratra ao amin'ny Baiboly Kristianina, ao amin'ny Jaona 14.6. Ny finoana dia tokony hiseho amin’ny fitondràn-tena, asa marina, fanompoana ary amin’ny fiarovana ny osa. Hajaina ny fahalalahan’ny fieritreretana sy ny finoan’ny tsirairay. Samy manana ny toerany amin’ny fanarenana ny firenena ny malagasy rehetra. Izao no "Kairos" ho an’i Madagasikara! Izao no fotoana hamaliana ny antson’Andriamanitra sy handraisana andraikitra. Ry Kristiana, fiangonana, zanaky ny fifohazana, mijoroa eo amin’izay misy anareo! Ento amin’ny fiainana andavanandro ny soatoavin'ny fanjakàn’Andriamanitra! Aoka hifoha sy hadio fo isika! Hiova ny fomba fisainana ary hiasa ny tanana. Amin’ny fifampidinihana rehetra momba ny fanavaozana, aza hadinoina ny fototra iombonan’ny malagasy! Ny "Fokonolona, ilay fianakaviana be sy ilay firenena kely». Ao no iainana ny fihavànana, iombonana ny tany sy ny harena, ifanohanana ary itomboan’ny andraikitra. Ajoroy aloha ny fototra vao atsangano ny rafitra! Hamafiso ny fifandraisana eny ifotony, ny firaisankina ary ny fiaraha-miasa mba hahafahan’ny andrim-panjakàna mijoro mafy. Alohan’ny hihazakazahana ho amin’ny fifidianana sy ny fahefàna, ataovy afaka mifampidinika, mandray fanapahan-kevitra ary manara-maso ny raharahany ny vahoaka. Ny fifidianana dia tokony hiorina amin’ny fiaraha-monina tafarina sy amin’ny safidy malalaka ary mazava. Miantso ireo tomponandraikitra amin’ny fanavaozana. Henoy ary irosoy ny fampijoroana Fokonolona! Tsy misy antony manakana antsika tsy hanao izany. Omeo toerana tena handraisany anjara ny vahoaka ary ampifandraiso amin’ny filàny ny fanavaozana ny andrim-panjakana! Aoka ho mpanohana ny vahoaka ny fitondràna ary hampamoahina amin’ny andraikiny! Aoka ny tanora, vehivavy, zokiolona, olona manana fahasembànana, tantsaha sy mponina an-tanàn-dehibe samy handray anjara! Aoka ho tonga hatrany amin’ny toerana lavitra indrindra ny fifampidinihana! Eo amin’ny Fokonolona no hanombohantsika hampihavana ny mpiray monina, hanohana ny ankohonana, hanabe sy hampiofana ny tanora, hamorona asa, hampitombo ny famokàrana, hiaro ny tany sy ny rano ary hikarakàra ny tontolo iainana. Izany no lalana ho amin’ilay hetahetantsika hoe «Hiadana sy ho finaritra». Miantso ny fiangonana, fikambanana, vovonana, mpandraharaha, manam-pahaizana ary malagasy eto an-toerana sy any am-pielezana. Tongàva hiara-dia ao amin’ny VFKF! Ampiraiso ny hery, ny fahaizana, ny asa ho an’ny vahoaka! Ento ny anjara birikinareo ary atomboy eo amin’ny Fokonolona misy anareo izany! Andao halavirina ny fifampiandaniana na ny ady an-trano! Mitory fampihavànana izahay fa tsy resaka antoko! Ny tanjontsika dia malagasy tompon-tany, miaro sy mitantana amim-pahamarinana ny taniny sy ny harenany. Malagasy tompon-teny, henoina sy mandray anjara amin’ny fanapahan-kevitra. Malagasy tomponandraikitra, miasa sy mitandro ny soa iombonana. Aoka izao 14 oktobra izao ho fanavaozana ny fanekentsika hanorina rafi-pitantanana, rafi-pitondrana manaiky an’Andriamanitra ho mpitarika, mifaka amin’ny maha malagasy, miorina amin’ny fahamarinana ary manompo ny vahoaka sady miaraka amin’Andriamanitra tsitoha. Andao hampijoro ny Fokonolona! Fokonolona mijoro, firenena miaina! Ho tahin’Andriamanitra anie i Madagasikara, hoy hatrany ny VFKF!
J. Mirija