airtel

Sosialy

29-juil-2022

Sosialy

Zon’ny mpiasa “Ny fanjakana mihitsy no manome vahana fanitsakitsahana azy”

Sample post image

Eto foana ny Randrana sendikaly raha resaka tolona ho an’ny mpiasa Malagasy no resaka, hoy ny mpandrindra nasionaliny, Mbola Nomena.

29-juil-2022

Mbola be ny tsy tomombana sy tsy lavorary ao anatin’ny tontolon’ny asa eto Madagasikara, hoy izy. Ny sendika rehetra mihitsy no miray feo fa tsy ny Randrana sendikaly ihany. Ny Randrana sendikaly moa mihetsika ho an’ny zon’ny mpiasa. Betsaka ny zo tsy voahaja sy voahitsakitsaka dia izay no mahatonga ny Randrana sendikaly tsy matory fa miara-mihetsika amin’ny andavan’andron’ny mpiasa hatrany. Somary mangingina hatreto ny mikasika ny famolavolana ny sata mifehy ny mpiasa. Vita ny tany amin’ny CRDA dia tsy dia tena heno hoe nanao ahoana no tohin’ilay izy? Ny tsikaritra dia toy ny fanjakana mihitsy no manao tsinontsinona ny sehatra tsy miankina ary ny tena hiantraikan’izany indrindra dia ny mpiasa. Ohatra iray lehibe ny famoahana iny didim-panjakana momba ny karama iny. 3 volana aty aoriana ilay izy vao nivoaka. Amin’izay ilay izy tsy tonga volana akory. Mbola tsy maintsy miandry didim-pitondrana na “arrêté” indray ny fanatanterahana io didim-panjakana na “décret” io. Lasa miady eo ny mpiasa sy mpampiasa. Ny disadisan’ireo noho ny tsy fanarahana fifanarahana sy tsy fifankahazoana anaty toeram-piasana koa anefa efa betsaka. Mbola manampy trotraka mandefa zavatra manjavozavo sy feno fifangaroana toy ireny koa anefa ny fanjakana. Ny fanjakana mihitsy no manome vahana fanitsakitsahana zon’ny mpiasa eto Madagasikara, hoy hatrany ny Randrana sendikaly.
J. Mirija
Legende: Mbola Nomena

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap