Araka ny fanazavan’ny mpitantana ny klioba, Jean Paul Ramananjoelina, dia nanomboka ny taona 2012 no nitantanany ity klioba ity tamin’ny alalan’ny fanazarana ireo katitakely eo amin’ny sokajin-taona “Benjamin”, izany hoe, 10 ka hatramin’ny 13 taona. Maro ny ondry efa azo ary ny omby teo amin’ny miisa 5 teo tao anatin’izany. Efa manana sokajy “senior” ankehitriny ny klioba. Tanjona ny handraisana anjara amina fifaninanana avoavo kokoa. Raha “Open” hatrany ny sehatra nisy hatramin’izay dia mba miandrandra handray anjara amina fifaninanana “National” indray amin’ny manaraka. Miandrandra fanampiana amin’ireo malalatanana sy mpankafy kitra izahay, indrindra, eo amin’ny lafiny fampitaovana. Isaorana ny solombavambahoakan’ny boriboritany misy anay, Todisoa Andriamampandry, teo foana nanampy fa na izany aza dia tena mbola miantso ireo malalatanana rehetra sy tsara sitrapo hatrany, indrindra, ny eo anivon’ny fitondram-panjakana mba hijery ny kitra ety anivon’ny fokontany ety fa tena feno talenta ety. Manan-talenta ireo boay kely ety. Mpiandry tsatoby iray milalao eo anivon’ny Elgeco plus izao novolavolaina tato anatin’ny klioba ary efa tena reharehanay ankehitriny hoe isan’ireo mandray anjara any anaty fifaninanana Orange Pro League any. Jereo ny kitra ety amin’ny fokontany fa feno talenta, hoy hatrany ny mpitantana ny City Zens Ambatolampy.
J. Mirija
Legende: Ireo ry zalahy City Zens ireo
Tontosa ny alin’ny talata teo tao amin’ny kianjan’i Abbé-Deschamps,