Efa tsy nampoizina ny zava-bitan’i Claudine Nomenjanahary teo amin’ny famaranan’ny 100 metatra tsy misy fefy, sokajy vehivavy, raha laharana faha-4 omaly, nandritry ny lalaon’ny frankofonia atao atsy Kinshasha, RD Congo. Mihoatra noho izany ary azo lazaina hoe vao mainka reharehan’ny firenena hatrany kosa ny zava-bitan’i Sidonie Fiadanantsoa fa teo amin’ny 100 metatra misy fefy indray kosa, ho an’izay sokajy vehivavy izay hatrany. Lasan’ny malagasy teto ny medaly volamena. 13”01 no fe-potoana nahavitan’ny tovovavy izay hazakazaka 100 metatra misy fefy izay tao anatin’ny lalaon’ny frankofonia andiany faha 9 atao atsy Kinshasha ity.
J. Mirija
Tontosa ny alin’ny talata teo tao amin’ny kianjan’i Abbé-Deschamps,