airtel

Sport

07-mai-2024

27ème Rallye Castine Terre d’Occitanie

Norombahin’i Mika Rasoamaromaka ny voalohany

Sample post image

Afaka mahavita zavatra, ary tena afaka mifampitana sy mandresy ny vazaha ny Malagasy amin’ny hazakazaka

07-mai-2024

fiarakodia. Noporofoin'i Mika Rasoamaromaka tamin’ny 27ème Rallye Castine Terre d’Occitanie tany Frantsa ny faran’ny herinandro teo, teo amin'ny Clio Trophy satria nobatain’ny ekipazy Mika Rasoamaromaka sy Bastien Pouget tamin’ny alalan’ny fiara Peugoet ny laharana voalohany. Isa 76 no azon’izy ireo, raha toa ka 72 ny laharana faharoa Tom Pellerey-Hervé Faucher, ary teo amin’ny laharana fahatelo kosa i Faniry Rasoamaromaka rahalahiny, izay nahazo isa 70. Tsy vao sambany nandray anjara tamin’ny fifaninanana hazakazaka fiarakodia any ivelany moa ireto zanaky ny governoran’Analamanga ireto satria ny jolay 2022 dia laharana faharoa sy fahatelo izy ireo tamin’ny Rallye Terre de Langres Haute-Marne. Efa tena mipetraka noho izany ny anaran-dry zalahy ireto, ary heverina fa tena ho avin’ny taranja rallye, raha ny vokatra azon’izy ireo.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Hotanterahina ny Zoma 14 Jona ho avy izao etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy

Card image cap
17-mai-2024

Tena tsy nigika ny Ankoay omaly nanoloana an'i Lituanie tany Debrecen.

Card image cap