airtel

Sport

27-mai-2025

3x3 Women’s Series Baku Stop 2025

Nandresy any Roumanie, avy eo resin’i Italie ny Ankoay

Sample post image

Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana

27-mai-2025

3X3 Women’s Series Baku Stop 2025 » karakarain’ny FIBA tanterahina any Baku Azerbaïdjan nanomboka omaly 26 mey hatramin’ny anio ny Ankoay vehivavy ho an’ny basikety lalaovin’olona telo. Nandresy tamin’ny elanelan’isa iray monja 21-20 nanoloana an’i Roumanie isika Malagasy, raha toa ka resin’i Italie tamin’ny isa 21 noho 15 kosa tamin’ny lalao faharoa. Harisoa Muriel Hajanirina, Minaoharisoa Christiane Jaofera, Rondro Emeranchine Raherimanana, ary Sarobidy Randriantahiana no mandrafitra ny ekipam-pirenena. Araka ny tatitra nataon’ny Federasiona Malagasin’ny Basket-Ball, mbola handray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena « 3x3 » roa hafa ny ekipam-pirenena malagasy aorian’ity fihaonana any Azerbaïdjan ity. Voafaritra sahady fa ny iray amin’ireo dia hatao any Vienne Aotrisy, ny 12 ka hatramin’ny 14 jona, raha mbola andrasana kosa ny antsipiriany amin’ny iray hafa. Marihiny fa noho ny maha-tompondakan’i Afrika azy eo amin’ny taranja 3x3, dia isan’ireo nahazo fanohanana avy amin’ny fandaharan’asa manokana napetraky ny FIBA ho an’ireo atleta vehivavy amin’ny 3x3 i Christiane Jaofera sy ny namany, mba hanamafisana bebe kokoa ny fandraisan’anjara sy ny fivoaran’ny basket vehivavy eto Madagasikara. Efa niatrika ny Champions Cup Basket 3x3 tany Thailande ny ekipam-pirenena Malagasy ny volana martsa lasa teo, ary hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany any Mongolie amin’ity taona ity.
Toky R

 

Dans la même rubrique

05-juin-2025

Misaona ny tontolon’ny baolina kitra malagasy. Fantatra omaly,

Card image cap
04-juin-2025

Inoana fa ho afa-po tsara ireo mpankafy baolina kitra malagasy amin’io faran’ny herinandro

Card image cap