Manalasala hatreto ny fandraisana izany. Hisy ihany ve ity lalaon’ny nosy ity sa tsy hisy? Aiza ho aiza ny fanomanana? Ny mikasika ireo fotodrafitrasa? Nanazava ny teo anivon’ny federasionin’ny taranja hazakazaka na atletisma ny alarobia teo fa raha ity taranja ity aloha izany dia manana ny kianjan’Alarobia sy Mahamasina handraisana ireo lalao. Handeha afaka 9 andro ny fiadiana ny tompondaka eo amin’ny taranja Semi-marathon, izay hifantenana ireo solontena malagasy ihany koa, izany hoe anaty fotoana fohy dia fohy. Ny avy eo anivon’ny taranja ady totohondry koa dia velon-taraina omaly fa tsy misitraka famatsiam-bola na ny Ariary aza ary tsy misitraka famatsiana ara-pitaovana ihany koa avy amin’ny fitondram-panjakana. Ny ringa, hany mba manaraka ny fenitra iraisampirenena eo amin’ny lafiny velarana aza, mianjera ho azy, tsy ahavitana fiodinana in-droa akory. Ny taranja lay na “voile” moa dia mbola tsy manana fotodrafitrasa mihitsy hatreto mandra-pahavitan’ny fotodrafitrasa an-dalam-panamboarana ao Nosy Boraha na Sainte Marie. Santionan’ny zava-misy ireo raha ny angom-baovao sy fanadihadiana natao hatreto fa dia miandry ny fanazavana aloha izany.
J. Mirija
Mijanona ho mangidy, hoy ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea, Nicolas Dupuis, teo am-pahatongavana tao Douala, Cameroun, ny faharesena.
Tsy nisy dinika fa dia lasan'i Fulgence Rakotonirina indray ny fiadiana ny ho tompon-dakan'ny semi marathon notontosaina omaly maraina teto Antananarivo.
Isan'ny zokiny indrindra mbola milalao kanetibe i Davily na Rakotoarinoro William raha ny eto Betafo .Nodimandry ny sabotsy teo izy raha efa 86 taona.
Afa-baraka. Endrika tezitra no hita teny Mahamasina taorian'ny naharesy ny Barea 3 noho 0 omaly alakamisy.
Azo lazaina ho efa naman’ny fanomanana ny CAN 2025 ny lalao miisa 3 farany ho atrehintsika manomboka amin’ny 27 martsa izao,