airtel

Sport

31-juil-2024

Abel Anicet Andrianantenaina

Naka retirety teo amin’ny faha 34 taonany

Sample post image

Eto an-tanindrazana amin’izao fotoana izao ny kapitenin’ny ekipam-pirenena

31-juil-2024

malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara teo aloha, Abel Anicet Andrianantenaina. Nambarany tamin’ny fomba ofisialy moa fa naka retirety iraisampirenena eo amin’izay taranja baolina kitra izay izy ao anatin’izao faha 34 taonany izao. Ankafiziko ny baolina kitra, hoy izy, fa toy ny zava-drehetra misy fiandohana sy fiafarana dia toy izany koa. Aleo mba misehatra amina zavatra hafa mahafinaritra toy ny mozika indray sady manasoa ny tanindrazana, hoy hatrany izy. Tsiahivina fa i Abel Anicet Andrianantenaina na Abel Anicet no malagasy nahafaty baolina voalohany tao anatin’ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra na CAN ny taona 2019. Ny CAN 2019 moa no nandraisantsika anjara voalohany ka nahavita sahala 2 noho 2 nanoloana an’i Guinea isika ny 22 jona 2019 tao amin’ny Alexandria stadium, Egypta, nandritry ny andro voalohany ho an’ny sokajy B tamin’izany fotoana izany. Ity irakiraka afovoany malagasy ity no namono ny baolina voalohany matin’ny malagasy teo amin’ny minitra faha 49 ary i Carolus Andrea na Carolus Andriamahitsinoro, izay lohalaharana, kosa no nahafaty ny faharoa teo amin’ny minitra faha 55. Raha tsiahivina fohy ny lalana nodiavin’izany Abel Anicet izany teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra dia azo ambara ho tena nametraka ny lehilahy satria rehefa avy novolavolaina tao amin’ny sekolin’ny baolina kitra malagasy dia ny Ajesaia ny tenany dia nanohy izany tany Frantsa, tao amin’ny AJ Auxerre, ny taona 2004. Ny 2009 hatramin’ny 2011 izy no tafiditra tao anatin’ny sokajin’ny matihanina tao anatin’izany saingy najanon’ity klioba frantsay ho isan’ny ekipa fiandry na CFA hatramin’ny farany nefa. Hitan’ny klioba bolgara, Chernomorets Bourgas, divizionina voalohany ao Bolgaria, izy avy eo ary niha niditra lalina tamin’izay sehatry ny matihanina izay tao ny taona 2011 hatramin’ny 2012. Saika voatetiny avokoa ireo klioba sangany tao Bolgaria izay nitohy tamin’ny CSKA Sofia (2012-2013), Botev Plovdiv (2013-2014), Ludogorets Razgrad (2014-2021). Tompondakam-pirenena nisesisesy niaraka tamin’ity klioba nisy azy farany tao Bolgaria ity izy, raha tsiahivina, ary izy no malagasy voalohany nandray anjara tamin’izany tompondakan’i Eoropa na «champion’s league» izany. Nanohy ny lalany tao amin’ny Future FC, divizionina voalohany ejiptianina izy ny taona 2021 sy 2022 ary niverina nandalo tao Bolgaria, tao amin’ny Beroe Stara Zagora, divizionina voalohany Bolgara, indray ny 2022 sy 2023 nialohan’ny tena namaranany ny tantara amin’ny maha mpilalao azy tany Israely dia tao amin’ny Maccabi Bnei Reineh, divizionina voalohany ao Israely ny taona 2023 no ho nankaty amin’ny 2024 aty. Hatreto dia nisafidy ny hanohana ny tarika mpihira nankafiziko fahazaza dia ny tarika Nabaoh aho aloha, hoy i Abel Anicet, fa ny ao aoriana tsy fantatra hoe inona no mbola azo ho entina eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra, indrindra, baolina kitra malagasy.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

06-déc-2024

Tena mbola misy azo antenaina iakarana any amin’ny amboara erantany ho an’ny baolina kitra ny ekipam-pirenena

Card image cap
05-déc-2024

Im-pito misesy tsy resy ny URSG na Union Royal Saint Gillois, klioba divizionina voalohany

Card image cap