airtel

Sport

09-août-2021

Sport

Abel Anicet Mety hilalao any Israely

Sample post image

Fanaraha-maso hatreto no tena heno fa ataon’ireo klioba vahiny liana amin’ny kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra, Abel Anicet, taorian’ny fahataperan’ny fifanarahany tamin’ny klioba bolgara,

09-août-2021

 PFK Ludogorets Razgrad, izay tompondakan’ny Bolgaria hatrany tao anatin’izay 7 taona nilalaovany tao izay. Isan’ny efa voaresaka ho liana amin’ity avokavoka mpiaro ny Barea ity moa ny klioba divizionina voalohany anglisy, Leicester city, sy ny divizionina voalohany tiorka, Galatasaray. Fantatra ihany koa ankehitriny fa manara-maso akaiky ny filalaony ny klioba divizionina voalohany milalao ao amin’ny fifaninanam-pirenena israelianina Ligat Hael, Hapoël Beer-Sheva. 72 taona ankehitriny ity klioba ity ary nanomboka ny taona 2015 izy no nanana ny kianja azy manokana dia ny kianja Turner, izay mahazaka mpijery miisa 16.126. Araka ny fampitam-baovao voaray moa dia mitady izay hanamafisana ny fanafihany ity klioba voalaza teo ity ho an’ny taom-pilalaovana manaraka eo. Tsiahivina fa ankoatry ny maha kapitenin’ny Barea an’i Anicet hatreto dia izy no lohalaharana amin’ireo mpilalao Malagasy be karama indrindra teo amin’ny tantaran’ny ekipam-pirenena raha toa ka nandray 105.000 Euro isam-bolana, raha ny fampahatsiahivana nanomboka ny jona 2020 teo tao amin’ny klioba nilalaovany farany teo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap
22-avril-2024

Eo amin'ny kihon-dalana ny tantaranny Ladies Makis. Ho fantratra ny 4 ka hatramin'ny 12 may

Card image cap
22-avril-2024

Nanaitra ny maro ny fanambaran'ny Filohan'ny federasiona, Alfred Randriamanampisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Ratsy ny vokatra tato ho ato ho an’ny AJ Auxerre misy an’ilay mpilalao Malagasy Rayan Raveloson,

Card image cap