Hery Mamy Rabarisoa. 76 mianadahy ny atletantsika miatrika izany ankehitriny, hoy izy. 25 isa no vehivavy fa lehilahy ny ambiny. Analamanga, Vakinankaratra, Itasy, Bongolava, Boeny, Sofia samy voasolotena daholo. Ho avy koa ny avy any Antsiranana. Matsiatra ambony sy Fianarantsoa koa toy izay. Ny alahady 7 mey izao izany efa hisy fifanandrinana ao amin’ny kianjan’i Mahamasina. Ny 14 mey koa hisy ho tahaka ny manasa-dalana satria efa fantatra izany izao fa hisy sokajy miisa 4 hihaona hifanintsana mivantana. Hisy mpitsara sy tekinisianina hanao fifantenana ao. Ny enti-manana dia mbola eo am-pitadiavana ihany izahay ary hiangaviana izay afaka manampy na minisitera io na iza. Isaorana ny minisitera aloha hatramin’izao, amin’ny alalan’ny ANS na Akademiam-pirenena momba ny fanatanjahantena, mandray an-tanana ny fiantranoana. Mbola vola am-paosin’ny filohan’ny federasionina kosa nefa no miala amin’ny resaka sakafo. Ny atleta koa moa tsy dia miady sakafo loatra satria be dia be amin-drizareo no manintsana vatana. Manao aloha izahay izao ialana amin’ilay tampoka be hoe miisa 2 isaky ny sokajy ihany no mandray anjara. Miomana izahay saingy tsy manana enti-manana na fonon-tanana, izany hoe, «gant» hikotranana amin’ny lasaka na «sac» aza. Toy izany koa ny «gant» hanaovana fifaninanana. Efa mba nisy ihany ny tombana na «devis» nomena ny minisitera sy ny komity olaimpika fa dia miandry. Ny ady totohondry anefa hatramin’izay rehefa lalaon’ny nosy 100% foana ny medaly azon’ireo solontena miisa 6 antsika. Tohano re ny ady totohondry fa efa medaly am-paosy foana hatramin’izay, hoy hatrany ny federasionina.
J. Mirija
Tontosa omaly ny antsapaka mikasika ny fizaram-bondrona amin’ny Fiadiana ny CHAN 2024.
Nilatsaka ny fanapahan-kevitry ny CAF (Confederation Africaine de Football) omaly 14 janoary 2025,