Raha i Sidonie Fiadanantsoa no nampita izany afo izany voalohana tany Antsiranana ka nanolotra izany ny Filoha Rajoelina dia i Maître Kira kosa no tany Toliara izay nahitana ihany koa an'i Ony Paule Ratsimbazafy ilay mpihazakazaka 200 m sy 100m mifampitohy. Tany Toamasina indray no nahitana an'i Bao Monique ilay kintan'ny baskety vehivavy no sady renin'i Melissa Rambony izay mpilalao volley ao amin'ny ekipam-pirenena. Ireo kintana teo amin'ny fanatanjahantena izany no nampiasaina teto mba ahatonga ny olona hanotrona marobe. Tsy misy mahadiso izany sady fanao eran-tany izany fa rehefa izay ihany dia tokony mba jerena ny momba ireny olona nitondra avo ny voninahitry ny firenenana. Atao toy ireo Bekotro Maro Holatra ihany koa ka mba omena tambin-karana ireo izay tsy miasa. Tsy mba misy toy any Frantsa mantsy ny eto ka rehefa mijanona eny ankianja dia lasa mpanao fandaharana amin'ny televiziona mampiasa ny fahalalan'ny olona azy.
Clément RABARY
Nahazo aina kely indray aloha ny baolina kitra Malagasy noho ny vokatra tsara azon’ny Barea A
Azo lazaina ho mafimafy ihany ireto andro 2 manaraka ho atrehintsika anio sy ny 24 martsa