airtel

Sport

05-janv-2024

Afrobasket 2025

Efa vonona ny Ankoay

Sample post image

Andro sisa no hisaina dia hiady ny fifaninana voalohany aminlny Afrobasket 2025 ireo Ankoay.

05-janv-2024

Na dia somary mazava aza ny lalana ho an'ny Malagasy dia efa mivonona sahady ny ekipa tarihin'ny mpanazatra roalahy Jeannot Ravonimbola sy Ndranto Rakotonanahary. Ny 15 ka hatramin'ny 19 janoary np fotoana etsy amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena. Ary satria mbola karazana sava ranonando ihany ilay izy dia mbola tsy nantsoina daholo ireo mpilalao matihanina. Telo ihany hatreto no voantso dia M'Madi izay milalao ao amin'ny Steward County any Etazonia. Any Frantsa kosa no milalao i Lahontan Rija sy Kiady Razanamahenina. Samy nakana mpilalao efatra avy ny GNBC sy ny COSPN. Avy ao amin'ny Zandary no ahitana an'i Elly, Fabrice, Fiary ary Rick Ley. Livio kosa no mitarika ny Polisy misy an'i Arnol, Marco ary Anthony. Roa no avy ao amin'ny ASCUT dia Faralahy sy Jino raha i Tanjona irery no SBC. Mpilalao efa zatra ady ihany saingy hatreto dia mbola miaraka ao foana ireo mpilalao amin'ny 3x3 nefa mba manana tanjona koa izy ireo dia ny ho tafita any amin'ny Lalao Olimpika any Paris.Any amin'iny firenena hafa anefa dia mizara mazava ireo mpilalao 3x3 sy ny 5x5. Ny antsika anefa dia io manenjika bitro roa io.Atao ahoana moa fa tsy marenina ohatry ny izay tsy te handre.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap