airtel

Sport

22-févr-2024

Afrobasket 2025

Ho sarotra ny ady ho an’ny Ankoay

Sample post image

Efa lasa any Le Caire ireo mpilalao basket lehilahy handray

22-févr-2024

anjara amin'ny fifanintsanana ny Afrobasket 2025. Efa 11 sisa taorian'ny filazana fa tsy afaka ny handray anjara indray i Kiady Razanamahenina izany any Frantsa. Izy izany izao no fanintelony nantsoina tsy tonga satria i Mathias M'Madi sy Lova Andritsarafara dia tsy navelan'ny klioba izay hilalaovany any Etazonia. Ho mafy izany no miandry ny Ankoay satria mety voan'ny Egypte sy Coté d'Ivoire eo amin'ny halavana. Amin'ireo 11 mantsy dia telo ihany no mihoatra ny 2 metatra ny halavana. I Arnol izay mpiangaly ny 3x3 miampy an'i Jerry Rabibisoa, 2m 03, izay avy any Frantsa ary Sitraka Raaharimanantoanina izay milalao ao amin'ny Elan Chalon izay mirefy 2m 06. Ny tena tombony ho an'ny Ankoay dia misy ireo efa zatra niaraka hatramin'ny fahakeliny sady notaizan'ny mpanazatra Jeannot Ravonimbola tany Mahajanga toa an'i Elly Randriamampionona, Livio Ratianarivo ary Faralahy Monja. Na dia i Rija Lahotan izay mitondra ny baolina aza dia efa zatra miaraka amin'ireto mpilalao ireto.I Rija anefa dia milalao any Hyères Toulon saingy voantso foana raha vao resaka Ankoay. Toy izao kosa ireo mpilalao hafa nantsoina : Ravelojaona Tanjona, Rasolomanana Anthony, Rakotonirina Fiary ary Tsilefitra Jino. Toy izao kosa ny fandaharam-potoana any Le Caire, ora malagasy. 23 febroary 5 ora : Ankoay # Côte d'Ivoire 24 febroary 8 ora : Ankoay # Egypta 25 febroary 5 ora : Ankoay # Centrafrique.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap