Resy am-boninahitra nanoloana ny Ejiptianina, izay maozatra indrindra amin’ireo mpifaninana isika. Niady ihany ny lalao tao anatin’ny fizaram-potoana roa voalohany. Nitarika 21-11 isika tany amin’ny 5 minitra voalohan’ny ampahefa-potoana voalohany io. Tratra 21-21 roa minitra tsy hahataperany, ary izy ireo no nitarika 26-21 tamin’ny ampahefa-potoana voalohany. Teo amin’ny ampahefa-potoana faharoa, nitarika hatrany Ejiptianina, saingy niezaka nanenjika ka nitarika 43-41 teo am-pialana sasatra. Teo amin’ny fizaram-potoana fahatelo vao nanomboka nihazakazaka ny isa ho an’ny Ejiptianina, ka 70-57 no nisarahana teo. Nitombo ny elanalena teo amin’ny fizaram-potoana fahaefatra, 98-66 kosa ny isa farany nisarahan’ny roa tonta. Niezaka hatramin’ny farany, ary tsy nitsanga-menatra ny ekipa Malagasy vehivavy. Tao anatin’ny fikaisan-kiana sy fihombonana tanteraka no nisarahan’ny ekipa roa tonta teo am-pifaranan’ny lalao. Resy am-boninahitra ary henin-kaja henim-boninahitra ny ekipa Malagasy. Ho an’ny lalao hafa, fiadian-toerana, resin’I Algerie 75-35 I Tanzanie.
VONON-KANDRESY NY LEHILAHY
Ho an’ny lehilahy kosa, anio amin’ny 5ora sy sasany no hiakatra an-kianja ny Ankoay lehilahy, hifanandrina amin’I Mali, izay nandresy an’I Bénin 106-46 tamin’ny ampahefa-dàlana. Tsiahivina fa 102-41 no nandresentsika an’I Bénin tamin’ny lalaom-bondrona, izany hoe: mifandanja tanteraka ny Ankoay sy ny Malianina raha raisina amin’io. Ambony ny fanantenana, ary tombony lehibe ho antsika ny fanohanan’ny mpijery. Iray andro nialohan’ny lalao dia efa tapitra tanteraka ny tapakila. Manantena, ary mino ny Malagasy fa haneho ny fahaizany hatrany, ary hibata fandresena indray ry Mathias M’Madi anio. Tombony lehibe ho antsika ny fananana io mpilalao sangany sy voasokajy ho mahay sy mendrika indrindra amin’ity Afrobasket U18 ity io. Raha mandresy amin’io manasa-dalana io isika, dia hahazo avy hatrany ny tapakila amin’ny fiaidiana izay ho tompondaka eran-tany amin’ny sokajy U19 hatao any Hongrie ny taona 2023. Ireo lalao ampahefa-dàlana farany omaly, dia lavon’I Angola 67-64 I Sénégal, ary I Egypte kosa nandavo an’I Algerie.
Toky R
Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny