Allan Rakotovazaha. Noraisiko ho filamatra hatramin’izay, hoy izy, ilay mpiandro tsatoby espaniolina kalaza tamin’ny fotoan’androny, Iker Casillas, reharehan’ny Réal Madrid tamin’izany. Mifanakaiky ny tsangananay rehefa jerena ny fomba filalao sy fakana baolina eo amin’ny tsipika manamorona ny tsatoby, hoy hatrany ny tenany. 22 taona moa ankehitriny i Allan ary milalao ao amin’ny klioba frantsay US Créteil Lusitanos, izay ao amin’ny fifaninanam-pirenena natokana ho an’ireo mbola tsy matihanina ao an-toerana na National 2.
J. Mirija
Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny