no hifanandrina amin’ny Malagasy amin’ny lalao isam-bondrona ny 24 jona 2023 ho avy izao raha ny nambaran’ny Federasiona Malagasy ny Basketball (Fmbb). Any Debrecen, Hongrie no hanatanterahina ity fiadiana ny amboara eran-tany ity. Voalohany mandray anjara amina sehatra ambony iraisam-pirenena tahaka izao moa ny ekipam-pirenena Malagasy, Ankoay izay mitana ny laharana faharoa aty Afrika ao aorian’i Egypte voalohany. Etsy ankilany heverina ho manana traikefa kokoa ry zareo Amerikanina noho izy ireo efa zatra mandray anjara amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany sy efa nandrombaka izany mihitsy ; azo ambara ihany koa fa efa anisan’ny kolontsain’ny Amerikanina ny baskety. Etsy ankilany ny fanomanana kosa no hery ho an’i Malagasy. Azo lazaina fa tsara ity vondrona misy ny Ankoay ity ary azo antenaina ny Malagasy amin’ity fifaninanana ity , hoy ny tale teknika nasionaly.Manana ny fahalemeny amin’ny lafiny samihafa ny Ankoay saingy azo arenina miandalana mandritry ny fifampivondronana. Manana ny mahamafy antsika ihany koa anefa isika. Hifanandrina amin’ny Liban kosa ny Ankoay aorian’ny fihaonana amin’i Etazonia ny 25 jona 2023 ho avy izao, ary Slovenia kosa no hifanandrina aminy farany eo amin’ny lalao isam-bondrona ny 27 jona 2023.
Princy Lucas
Lasa indray izany izao! Miverina manazatra ny Barea A indray i Roro Rakotondrabe araky ny tapaka tamin'ny
Mamiratra ao amin’ny klioban’i Al Kholood Club ao Arabia saodita amin’izao fotoana izao ilay mpanazatra portogay,
Tena fitiavana ny baolina kitra ve sa fitadiavana tombotsoa manokana sy laza fa dia manao tsy omby aloha ireo