airtel

Sport

06-mars-2024

AMBOARA PIERRE CASTEL

Tohanan’ny orinasa STAR hatrany

Sample post image

Mpandresy efatra tamin'ny amboara Pierre CASTEL andiany teo aloha no afaka

06-mars-2024

nampisandrahaka ny varotra hataony amin’ny tsena lehibe noho ny fanohanan’ny orinasa STAR azy ireo. Nanatrika ny fampahafantarana ny fiaraha-miasan’ny telo tonta tetsy amin’ny CARREFOUR Ankorondrano ny mpanao gazety omaly Talata 05 Martsa.Taorian’ny fampiofanana sy ny fanohanana ara-bola natolotry ny Fondation Pierre CASTEL ho an’ireo mpandresy tamin’ny andiany 2022 sy 2023 : Honey of Madagascar (fanangonana, fanodinana, fivarotana ary fanondranana tantely sy vokatra azo avy amin’izany), Tiava (famokarana totom-boanjo natoraly, mamy sy masira ), Kassava (famokarana lafarinina mangahazo ho lasa vokatra azo hohanina avy hatrany) ary ny orinasa Moli Company (fanangonana, fanodinana ary fivarotana kafe, voatoto ary amin’ny kapsily), dia mampiranty sy mivarotra ny vokatra vokariny amin’ny magazay CARREFOUR miisa roa eto Antananarivo dia ny ao amin’ny Score Digue & Carrefour Ankorondrano izy ireo. Misitraka toerana manokana izy ireo ho mora hahitan’ny mpanjifa ny vokatra “Vita Malagasy”. Ity fanohanana avy amin'ny STAR ity dia mikendry ny fampiroboroboana ara-barotra ho an'ny mpandresy rehetra amin'ny alalan’ny fampifandraisana azy ireo amin'ireo mpiara-miombon'antoka sy mpampiasa vola azo antoka. Mbola hitohy ihany koa izany fanohanana izany ho an’ireo mpandresy hafa.Ankoatra izay, misokatra manomboka ny 01 martsa ka hatramin’ny 15 Aprily izao ny andiany vaovao 2024, hiantsoana ireo mpandraharaha malagasy rehetra 18 ka hatramin’ny 45 taona misehatra eo amin’ny fambolena sy fiompiana hanolotra ny tetikasany. Raha tsiahivina, hahazo tombony amin’izany ireo enina mendrika amin’ity andiany vaovao ity: Vola mitentina €15,000 no ho azon’ny laharana voalohany miampy fanohanana ary programa fanofanana. 10.000 euros ny an’ny faharoa, programa fanofanana. Toerana faha-3 hatramin’ny faha-6 kosa ny fiofanana momba ny fandraharahana voamarina momba ny e-learning miaraka amin’ny Foibe Ara-barotra Iraisam-pirenena Geneva (ITC) ary fandraisana anjara mivantana amin’ny loka Young Espoirs.
Pati
Legende : Nandritra ny fampahafantarana ny vokatra novokarin’ireo mpandresy omaly !

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap