airtel

Sport

09-janv-2023

Amboaran’i France amin’ny baolina kitra Tafita amin’ny 1

16n-dàlana ry Rayan Raveloson

Sample post image

Ny USL Dukerke no nifandona tamin’ny AJ Auxerre misy an’I Rayan Raveloson omaly alina tamin’ny lalao 1/32n-dàlana amin’ny fiadiana ny Amboaran’i Frantsa.

09-janv-2023

Ny mpifanandrina no nanokatra ny isa voalohany tamin’ny alalan’i Baghadi vao teo amin’ny faha-5 minitra. Voasahalan’i Rayan Raveloson anefa izany teo amin’ny minitra faha-19. Izy izay marihina fa irakiraka afovoany no nametrahan’ny mpanazatra azy teto satria marihina fa voasokajy ho mpilalao mahafehy ny toerana rehetra na « polyvalent » i Rayan. Mbola nampiany iray teo amin’ny minitra faha-35 tamin’ny alalan’ny « corner » nodakan’i Mathias Autret, ary notsenainy tamin’ny « coup de tête » nidona tamin’ny tsivalam-by ary niditra tany anaty harato. 2-1 noho izany no nentina niala sasatra. Nifamaliana ny fanafihana tamin’ny fizaram-potoana faharoa, ary voasahalan’I M. Ipiélé teo amin’ny minitra faha-68 ka io no isa nisarahana tao nandritra ny 90 minitra. Tany amin’ny « tirs au but » vao nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 5-4 ny AJ Auxerre, ka tafita amin’ny 1/16-dàlana amin’ny fiadiana ny amboaran’i France noho izany ry Rayan Raveloson izay ratsiratsy toerana ao anatin’ny Ligue satria faha-18 amin’ny 20 vonjimaika ankehitriny. Marihina fa tsy nilalao hatramin’ny farany moa i Rayan fa nosoloina an’ilay Ganeanina Mensah teo amin’ny minitra faha-78. Omaly ihany no natao ny antsapaky ny 1/16n-dàlana ka I Niort (L2) no hifandona amin’ny Auxerre.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap