airtel

Sport

04-nov-2026

Amboaran’i Torkia

Hifandona amin’ny

Sample post image

Galatasaray ry Rayan Raveloson

04-nov-2026

Hifandona amin’ny Galatasaray, klioba mbola azo heverina ho matanjaka indrindra ao Torkia, raha baolina kitra no resaka, ny sabotsy izao ny klioba misy ny kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasy, Rayan Raveloson, Amed SK. Andro faha 11 amin’ny fiadiana ny amboaran’i Torkia na Süper Lig, ho an’ny divizionina voalohany io. Galatasaray hatreto no mitarika ny filaharana ao anatin’izany fifaninanam-pirenena izany, raha ny fampitàm-baovao voaray hatreto, manana isa 25. Faharoa ny Amed SK, manana isa 23. Heverina, araka izany, fa hiady ny baolina ao amin’ny Rams Park, ao Istambul, amin’io fotoana io. Somary ho mafimafy na izany na tsy izany ny fifandonana ho an-dry Rayan satria dia hanafika any an-jaridainan’ireto sangany ao an-toerana no sady manana ny toerany eo amin’ny baolina kitra eoropeanina an-taonany maro ireto izany. Galatasaray izay ahitàna ireo kintan’ny baolina kitra iraisampirenena toy ilay lohalaharana nizerianina, Victor Oshimen, sy ilay arzantin, Mauro Icardi, raha ny angom-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique