airtel

Sport

06-déc-2021

Sport

Andro voalohan’ny OPL 2021-2022 Niondrika an-jaridainany ny Uscafoot

Sample post image

Niondrika tamin’ny isa 2 noho 4 tetsy amin’ny kianjan’Alarobia ny sabotsy teo ny ekipan’ny kaominin’Antananarivo na ny Uscafoot raha nihaona tamin’ny Fosa Junior nandritry ny andro voalohan’ny fifaninanam-pirenena matihanina ho

06-déc-2021

 an’ny divizionina voalohany eo amin’ny taranja baolina kitra na ny Orange Pro League 2021-2022. Ny ampitson’iny ihany moa dia nitodi-doha ho any Mahajanga ireo mpilalao hifantohana amin’ny lalao manaraka. Azo lazaina ho nifehy tanteraka ny lalao ny Fosa teto satria dia tany amin’ny minitra faha 13 no nampidiran’i Drogba ny baolina voalohany ho an’ny ekipan’I Mahajanga. Niezaka nanenjika izany ny ekipan’ny KAR ary azo lazaina ho nody ventiny ihany ny rano nantsakaina teo amin’ny minitra 37 rehefa nahazo penalty izay nampidirin’i Tafita. Nampiseho ny maha mbola sangany azy anefa ny Fosa nandritry ny fizaram-potoana faharoa ka nifandimby nampidi-baolina ry Rinjala teo amin’ny minitra faha 56 sy Jean Yves teo amin’ny minitra faha 65 ka nahatonga ny Fosa hitarika tamin’ny isa 1 noho 3. Niezaka nampihena ny elanelan’isa ny ekipan’ny kaominina ary dia nahita baolina niditra tamin’ny alalan’i Heritiana ihany teo amin’ny minitra faha 69 saingy tsy ela akory fa iray minitra monja tao aorian’izay dia efa nahitsin’ny Fosa tamin’ny alalan’I Tsiry iny tandrevaka iny ary dia io isa 2 noho 4 io no nisarahan’ny roa tonta. Any Mahajanga indray, araka izany no mifanala vela.
J. Mirija
Legende: Tetsy Alarobia ny sabotsy teo
 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Tandindonin-doza ny baolina kitra malagasy. Ambeti-tenin'i Tatseraky Marcellin izany raha tafaresaka taminay izy.

Card image cap
15-avril-2024

Niovaka ny didy tsy azo hivalozana fa tsy mahazo handraisana lalao intsony ny Kianja Barea.

Card image cap
15-avril-2024

Tsy niova ny filaharana taorianan'ny andro fahafito ny Pure Play Football League.

Card image cap