airtel

Sport

16-juin-2021

Sport

Andry Rajoelina « Atao ato amin’ny kianja Barea ny matso »

Sample post image

Nitsidika ny kianja Barea etsy Mahamasina ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny delegasionina maro notarihiny omaly 15 jona hariva.

16-juin-2021

 

 Nanambara tamin’ny fomba ofisialy fa eny an-toerana no hanatanterahana ny matso fanamarihana ny fetim-pirenena nahazoana ny fahaleovantena amin’ny 26 jona. Efa vita 90% ny asa fanamboarana sy fanovana, ary isan’ny asa mbola atao ny kianja fanaovana fanazaran-tena sy ny kianja iraisana ao Mahamasina. Nambaran’i Andry Rajoelina, fa miandry ny fahavitan’ny asa tanteraka ny fitokanana. Tsy kianja amin’ny kianja azy fotsiny io, fa toerana mampiombona ny Malagasy, endriky ny Barea, ary izany no nanaovana azy amin’ny endriky ny lokom-pirenena, raha ny fanambaran’ity Filoha ity. Loko volom-boasary an’ny antokony kosa ny ankajo nasehony ny mpilalaon’ny Barea omaly tetsy Mahamasina. Nandray sy nanome voninahitra ny Fitondram-panjakana notarihin’ny Filoham-pirenena tetsy Mahamasina rahateo ny Ekipam-pirenena Barea notarihin’ny mpanazatra Eric Rabesandratana. Notsipihin’i Andry Rajoelina hatrany, fa manara-penitra ny kianja, ary notsindriany na iza na iza hanakiana azy, fa mipetraka ho lovan’ny taranaka ho avy ny fotodrafitrasa. Zava-dehibe ny fahavitana asa tahaka izao, ary tsy any no olana, fa hoe : mba mitovy amin’ny fihazakazahana manao azy ireny ve ny fihazakazahana amin’ny famahana ny olana ara-toekarena sy sosialy mahazo ny firenena Malagasy ? Tsy ny kianja natsangana no miteraka fandrosoana. Rehefa milamina ny toekarena sy ny fihariana eto Madagasikara mandeha ho azy ny resaka kianja, fa tsy hoe : hatontona any ny volam-panjakana sy ny herim-pon’ny mpitondra, fa ny zavatra hafa tena iankinan’ny aim-bahoaka mila ampadeferina.

 Toky R

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap