airtel

Sport

27-août-2026

Andy Pelmard

Tsy ho alefa amin’ny vidiny

Sample post image

latsaky ny 500.000 Euro

27-août-2026

Mikasa ny hamerina ilay vodilaharana malagasy eo amin’ny taranja baolina kitra, Andy Pelmard, ao aminy indray ny klioba divizionina voalohany frantsay, OGC Nice. Vonona ny hividy ny lehilahy amin’ny sandany 500.000 Euro ity klioba efa nisy azy ny taona 2019 hatramin’ny 2021 ity, raha ny fampitàm-baovao voaray. Mila mivarotra mpilalao ny klioba mialohan’izany fifanarahana izany. Isan’ny nahafantatra ny fifindràn’ity mpilalao avy nindramin’ny klioba polonais, Jagiellonia Białystok, ity koa ny kliobany ankehitriny, Clermont Foot 63 na CF63, izay ao Frantsa ihany. Ny klioba belza, Royal Antwerp FC, moa no efa nanome sandam-bidy 200.000 Euro saingy nolavin’ny CF63. Nilaza ity klioba ity fa tsy ho alefany amin’ny vidiny latsaky ny 500.000 Euro ity vodilaharana malagasy 26 taona, mirefy 1,80 metatra ity, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-août-2026

no mandray anjara

Card image cap
27-août-2026

Ny Cœlacanthes Kaomorianina

Card image cap
26-août-2026

Milaza hitokona ny mpikatroka raha tsy mivaha ny olana

Card image cap