airtel

Sport

14-mars-2024

Sport

Angelo Andriamanantena Mbola mafy saingy tsy mety voaantso ho Barea

Sample post image

Lasan'ny AS Excelsior ny alahady teo ny Amboaran'ny tompondaka teo

14-mars-2024

amin'ny baolina kitra atsy La Réunion. Baolina ohatry ny baolina rehetra ary tsy nandresy 4 noho 1 ny Saint Pierroise akory ny Excelsior fa ny tiana hatongavana dia mbola nahafaty baolina indray i Angelo Andriamanantena tamin'io lalao io. Izy koa anefa no nampiditra baolina betsaka indrindra tamin'ny taom-pilalaovana lasa iny sady nahazo ny tompondaka tany. Tsy mbola voantso Barea anefa i Angelo Andriamanantena noho ny antony tsy mazava. Io mpanafika any aloha io anefa no tena lesoka ho an'ny Barea. Mbola tsy mahafehy izany toerana izany na i Arnaud Randrianantenaina izay milalao any Egypte diviziona faharoa sy Hakim Abdallah. Raha samy haka Abdallah ihany anefa maninona tsy ilay Abdlallah any Strasbourg ? Aboubacar Ali Abdallah no tena anarany ary tena mbola zandrikely vao 20 taona nefa efa tena atokisan''ny mpanazatra. Tsy nisalasala i Patrick Viera nampiditra an'i Ali Aboubacar. Efa lasa lamaody rahateo ny mampijoro ireo mpilalao latsaky ny 18 taona. Ary izay fomba izay izao no nahatafita ny FC Barcelone any amin'ny ampahaefa-dalana ny Ligue des champions. Ny antsika anefa toa jerena fotsiny ohatry ny tany nahalavoana ireo zandrikely U23 noraisin'ny UFICASM an-tanana. I Tony Robert sy Kalvin Paul izao efa ela no tokony nijoro. Sa moa miandry efa mahazo taona vao tena mafy ny Malagasy. Porofon'izany dia mbola i Sedera sy Bapasy anie no vodilaharana ao amin'ny Excelsior ity nefa dia mbola tsy azo atao na inona na inona. Zay ilay Gasy nefa ahoana no handresena lahatra an'i Roro.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap