airtel

Sport

03-févr-2022

Sport

Arnaud Randrianantenaina Hilalao ao amin’ny El Gouna FC - Ejipta

Sample post image

Hilalao any Ejipta ihany koa dia ao amin’ny El Gouna FC ilay lohalaharana malagasy mbola ao anatin’ny fahatanorany tanteraka, Arnaud Randrianantenaina.

03-févr-2022

 Tontosa soamantsara, raha ny fampitam-baovao omaly, ny famindrana azy avy atsy amin’ny klioba nisy azy farany dia ny Jeunesse Sportive Saint-Pierroise atsy La Réunion ho ao amin’ity klioba niorina ny taona 2003 ity saingy efa mifaninana ao amin’ny tompondakan’i Ejipta sahady ity. 21 taona ankehitriny i Arnaud ary fanintelony amin’ireo mpilalao efa nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea tamin’ny andron’ny mpanazatra Nicolas Dupuis hilalao atsy amin’ity firenena ity, araka izany, i Arnaud. Ankoatra azy moa dia isan’ny mila ravinahitra ao an-toerana koa ilay irakiraka afovoany Malagasy, Abel Anicet, izay milalao ao amin’ny Futur FC, sy ilay lohalaharana, Voavy Paulin, milalao ao amin’ny Ghazl El Mahallah.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap
22-avril-2024

Eo amin'ny kihon-dalana ny tantaranny Ladies Makis. Ho fantratra ny 4 ka hatramin'ny 12 may

Card image cap
22-avril-2024

Nanaitra ny maro ny fanambaran'ny Filohan'ny federasiona, Alfred Randriamanampisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Ratsy ny vokatra tato ho ato ho an’ny AJ Auxerre misy an’ilay mpilalao Malagasy Rayan Raveloson,

Card image cap