airtel

Sport

18-juin-2024

Arnaud Randrianantenaina

Lasa kapitenin’ny El Gouna FC

Sample post image

Efa ho tapitra ny lalaon'ny Barea nanoloana an'i Mali vao nampidirina i Arnaud Randrianantenaina.

18-juin-2024

Saika nahafaty baolina anefa izy na dia ampaham-potoana kely no nomena azy. Mafy anefa ity mpilalao avy any Ambositra izay nifandrombahan'ny Ajesaia sy ny CNaPS Sport ity. Re ary izao fa izy no lasa kapitenin'ny El Gouna, ekipa diviziona voalohany any Egypta. Ary matoa tonga amin'izany toerana izany dia porofo izany fa tena atokisan'ny mpanazatra izy. Ny kapiteny mantsy amin'ny ankapobeny dia ilay mpilalao mijanona eo an-kianja mandritra ny 90 minitra. Toeram-boninahitra izany kapiteny izany ary io no mety manokatra lalana ho an'i Arnaud any amin'ireo klioba lehibe any Eoropa. Ny andrasana anefa izao dia ny fifanitsanana eo amin'ny CAN 2025 izay hanomboka ny volana septambra ka raha mba omen'i Roro Rakotondrabe fahatokisana izy hampisehoany ny tena talentany fa matoa tody AM n'izao toerany izao dia tsara ny fomba hilalaovany indrindra fa mipetraka amin'ny sisiny havanana izy fa tsy eo ampovoany. Asa anefa sao dia ny mampijoro ireo zokiolona no tena mahamaika ny mpanazatra. Vokatra anefa no ilaina.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique