airtel

Sport

15-janv-2021

Sport

Arnaud Randrianantenaina Mety hilalao any Portugal

Sample post image

Taorian’ny fifanarahana voasompatra tokony nifanaovan’ilay lohalaharana Malagasy,

15-janv-2021

 

 

 

 Arnaud Randrianantenaina, tamin’ny divizionina faharoa frantsay, Grenoble GF 38, dia mbola niandry klioba handray azy hatrany ity mpilalaon’ny CNAPS Sport ity. Araka ny loharanom-baovao izay akaiky ny dosie mikasika ity kintan’ny kitra Malagasy vao 20 taona ity dia mety ho tanteraka ihany ny hetahetan’i Arnaud hilalao any Eoropa. Mbola klioban’ny baolina kitra izay misandrandra ao anaty fifaninanam-pirenena divizionina faharoa hatrany no fantatra fa liana amin’ny lehilahy saingy ao Portugal kosa. An-dalam-panatanterahana ny dingana rehetra ankehitriny ny klioba 2 tonta ary sambany hisy Malagasy handray anjara amin’ny fifaninanam-pirenena Portugey noho izany raha toa ka tanteraka ity fifanarahana ity.

J. Mirija

 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap