airtel

Sport

09-juil-2021

Sport

AS Adema Nahazo anaram-boninahitra faninefany

Sample post image

Notontosain’ny avy eo anivon’ny fikambanan’ireo klioban’ny baolina kitra elita eto Madagasikara na CFEM omaly ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny amboara sy medaly ho an’ny tompondakan’i Madagasikara

09-juil-2021

 sokajy matihanina na Orange Pro League tamin’ity taona ity dia ny AS Adema. Tsiahivina fa efa ny 24 jona teo no nanomboka nitsotsotra niandry ity fotoana ity ireto mpilalao tantanan’ny mpanazatra Roro ireto rehefa tsy nahaova ny isa azony avy intsony ny ekipan’i Cosfa sy Ajesaia. Ny AS Adema araka izany no tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny fifaninanam-pirenena OPL 2020/2021, izany hoe, ho an’ny andiany faharoa. Izy ireo ihany koa anefa no nibata ny amboara voalohany tamin’ity OPL amin’ny endriny vaovao izay ahitana tarika atsimo sy avaratra na “conference nord et sud” ity izay mbola nitohy tamina tsotsoromamba na Playoffs mandroso sy miverina ity. Nampitaintaina hatramin’ny farany ny taom-pilalaovana, hoy ny filohan’ny AS Adema, ary porofo ireny fa mivoatra ny baolina kitra Malagasy. Anaram-boninahitra faninefany azon’ny AS Adema hatramin’izay nisiany moa ity OPL azony voalohany ity, raha ny fanamarihana hatrany.
J. Mirija

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap