Basket anefa no nandehanana ka nivadika ady totohondry ilay lalao. Tsy dia fahotana be anefa no niatombohan'ny ady fa tosika nivoaka ny faritra no nahatonga ilay mpilalao namaly bontana nandritra ny fifanandrinan’ny Ekipan’ny Kaominina Antananarivo sy ny Fitaleavan’ny fizahantany Mahajanga. Raikitra ny ady am-parombaka ka nanome sary ratsy ho an'ny ASIEF. Tsara marihina anefa fa ny Praiministra Ntsay Christian dia tonga mandray anjara amin'ny fifaninanana. Ny marina dia toa tsy voafehin'ingahy John Lova ilay hetsika izay mihalehibe isan-taona satria raisin'ireo mpiasam-panjankana ho fialan-tsasatra faobe sady baojo. Tsy misaraka amin'ireo mpandray anjara aty Toamasina ny fisotrotrosotrona eny amin'ny Miami. Rehefa mamo toa ireo andiana miaramila dia manankorontana. Izay ve ilay revy ?
Clément RABARY
Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny