na ny Tanora Actif an'i Madagasikara tarihin’ny filohany Razafimandimby Rija Ethel. Tsy nandalo fotsiny ihany ny datin’ny 08 Martsa, nankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny zon’ny vehivavy ho azy ireo fa nanaovana hetsika miavaka niarahana tamin’ireo mpiasan’ny kaominina Antananarivo renivohitra, notarihin’ny PDS vaovao. Fizarana sakafo manta niarahana tamin'ny fikambanana Hasene, izay fikambanana Miozilomana manampy ireo sahirana no nanohizana ny hetsika ka nahatratra 140 isa ireo fianakaviana nisitraka izany teto an-drenivohitra. Ankoatra izay dia nahazo fanasana tamin'ny seksionan’ny taranja Rugby, izay nanao lalao famaranana afak’omaly Alahady 10 martsa ihany koa ny filohan’ny fikambanana TAMa izay sady delegen’ny Boriborintany fahatelo. Nifanandrinan'ny ekipa avy ao Besarety sy Ankadifotsy USA ny lalao ka nivoaka ho mpandresy tamin'ny isa 35 noho 23 ny ekipan’ Ankadifotsy USA. Nisy ny fanoloran’ity tompon’andraikitry ny Boriborintany fahatelo ity baolina sy rano ary sakafo ho an’ireo mpilalao nandritra izany izay narahiny firarintsoa.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fanampiana !
Tanterahana manomboka anio hatramin’ny alahady 16 martsa izao any Thailande
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy moa iny ireo mpilalao miisa 26 voaantso