airtel

Sport

24-août-2023

Atletan’ny Lalaon'ny Nosy

Notolorana fitaovana sy fanamiana

Sample post image

Notoloran'ny Filoha Rajoelina fitaovana sy fanamiana ireo atleta hiaro ny voninahitr'i Madagasikara,

24-août-2023

omaly tetsy amin'ny Kianja Barea etsy Mahamasina. Niavaka ireo fanamiana vitan'ny orinasa malagasy Nino ary tena tsy mena-mitahy amin'ireo vita avy any andafy sy efa malaza eran'izao totonlo izao. Samy nahazo moa ireo delegasiona malagasy rehetra ary fihaonana voalohany ho azy ireo iny omaly iny noho ny tsy fisian'ny Tanànan'ny Lalao. Fahabangana izay mbola tsy hita raha tsy izao Atao ahoana moa fa taratra eny ihany ny tsy fisian'ny COJI na ny Komity Mpikarakara izay tokony mahaleo tena tanteraka satria vondrona tsy tena miakina amin'ny fanjakana. Ny mahagaga dia ny fahadahian'ity Ministeran'ny Fanantanjahantena mampifangaro izany ary dia misalotra ny anaran'ny Minisitra sady Tale Jeneralin'ny COJI. Loza...
Clément RABARY

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Tontosa ny alin’ny talata teo tao amin’ny kianjan’i Abbé-Deschamps,

Card image cap