Nivoaka ny antsapaka ho an’ny lalao fifanintsanana hiadiana ny tapakila amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika “CAN 2027”. Tafiditra ao anatin’ny vondrona L i Madagasikara miaraka amin’i Nigeria (FIFA 26), Tanzanie (FIFA 113) ary Guinée-Bissau (FIFA 132). Ny Baren’i Madagasikara kosa dia eo amin’ny laharana faha-104 amin’ny filaharana faran’ny FIFA. Raha ara-taratasy izany dia azontsika resena avokoa ny ekipa roa dia i Tanzanie sy Guinée-Bissau raha toa ka mety somary maozatra i Nigeria. Azontsika resena tsara anefa izy, ary raha ny lalao farany nifandonantsika taminy dia nivoaka nandresy 2-0 isika tamin’ny 30 jona 2019 tao amin’ny Alexandria Stadium tany Egypte nandritra ny lalaom-bondrona tao anatin’ny Vondrona B nandritra ny CAN 2019. Midika fa azo resena izy na isan’ireo ekipa sangany aty Afrika aza. Hotanterahina eo anelanelan’ny volana septambra 2026 sy martsa 2027 ireo lalao fifanintsanana, mialoha ny dingana famaranana izay hampiantranoin’i Kenya, Tanzanie ary Oganda. Araka ny tetiandro navoakan’ny CAF, ny andro voalohany sy faharoa dia hatao ny 21 septambra ka hatramin’ny 6 oktobra 2026, ny andro fahatelo sy fahefatra kosa dia eo anelanelan’ny 9 sy 17 novambra 2026, ary ny andro fahadimy sy fahenina dia hatao ny 22 ka hatramin’ny 30 martsa 2027. Ny ekipa roa voalohany isaky ny vondrona no hahazo ny tapakila hiatrika ny dingana famaranana amin’ny CAN 2027. Miandrandra vokatra lehibe indray araka izany ny Barean’i Madagasikara sy ny mpitia kitra Malagasy. Tsiahivina fa Madagasikara hiatrika lalao fanomanana amin’i Maroc ny 2 jona ao Rabat, alohan’ny hifandrenesany amin’i Oganda ny 8 jona ao Casablanca. Mpifanandrina roa samy manana ny lanjany izany. Ny Lions de l’Atlas mipetraka ho sangany aty Afrika ary hiatrika ny Mondial 2026, raha i Oganda kosa dia isan’ireo firenena telo hampiantrano ny CAN manaraka.
Toky R