airtel

Sport

06-déc-2021

Sport

Ballon d’or 2021 Karim Benzema no safidin’ny Malagasy

Sample post image

\Isan’ny nanana solontena tamin’ireo mpanao Gazety miisa 180 maneran-tany nomena andraikitra hifidy izay ho mpilalao mendrika indrindra na “Ballon d'or” tamin'ity taona 2021 ity isika Malagasy.

06-déc-2021

 Ny mpanao gazetin'ny gazety an-tsoratra, Midi Madagasikara, Clément Rabary, moa no niantsoroka izany tamin’ity taona ity. Nofidiany ho mendrika indrindra, ilay mpilalao Frantsay, Karim Benzema. Faharoa ilay portogey, Cristiano Ronaldo. Fahatelo ilay italianina, Giorgio Chiellini. Ilay avokavoky ny ekipam-pirenena belza, Kevin De Bruyne no fahaefatra ary ilay poloney, Robert Lewandowski kosa no nomeny ny laharana fahadimy. Tsy tao anatin’ny kajin’ity mpanao gazety ity mihitsy, araka izany, ilay lohalaharan’i Arzantinina malaza, Lionel Messi, izay tena nandrombaka ny amboara. Rehefa nohadihadiana moa ny ankamaroan’ireo mpankafy kitra Malagasy dia tsy nisy nahita ny antony mbola tokony hisaloran’i Leo izany anaram-boninahitra izany fanimpitony indray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Inona no mahazo ny tsipy kanetibe no toa tsy mbola isan'ireo taranja hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika

Card image cap
19-avril-2024

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

Card image cap
18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap