airtel

Sport

17-juil-2023

Sport

Baolina Kitra - Amboaran'i Madagasikara Saika nidiran-doza ny Fosa Juniors

Sample post image

Izay no maha amboara ny amboara. Raha noheverina fa ho afaka mora foana ny Fosa Juniors nanoloana ny FC

17-juil-2023

Rouge ny sabotsy teo teny Ambohidratrimo dia tst izay no niseha fa tena nanohitra ireto solontenan'Analamanga ireto. Nosahalain'i Dadamanga ilay mpanafika tao amin'ny CNaPS Sport fahiny mantsy ny isa ka tena fanina ny Fosa izay voatery nilalao folo taorian'ny karatra lena azon'u Lexa . Tonga tany amin'ny fanalavan-potoana indray anefa dia nahafaty baolina indray i Veve (94) nefa dia nahazo karatra mena ihany koa Nilaolao sivy izany ry zareo Mahahanga saingy ny vitana no tsy nisy ho an'ny FC Rouge Na izany aza dia mendri-piderana ireto farany nahavita nzmpitahotra ny Tompondaka eto Madagasikara. Ny marina anefa dia mpilalao tranainy ireto FC Rouge ireto satria ankoatra an'i Eric Dadamanga dia tao ko Tojo Kely CNaPS, Johnny Be Elgeco ary Rajao Adema Tany Antsirabe indray dia nandresy 4 noho 3na dia sahirakirana aza ny Disciples FC nanoloana ny CJM Androy ny sabotsy teo. Baolina roa no matin'i Dahery (24 sy 47) raha iray avy no matin'i Coka sy Liva. Tany Toamasina indray dia nataon'ny Fanalamanga nahamay ny FC Kakambary. Tsy nijanona ny isa teny amin'ny tabilao raha tsy 7 noho 1. Teny Carion dia afaka mazava ny MAMA raha nandresy ny AS Comato tamin'ny isa 3 noho 1. Nazeran'ny ASA Nosy Be tao antananany tao Mahajanga ny Tsaramandroso Formation. Isa 3 noho iray no nidarahan'ny roa tonta Ny CFFA indray dia nanilika ny EFCA Mi 20 izay tsy nahay nararaotra rehefa nivoaka i Bonnard fa nahazo katatra mena. Nandresy 2 noho 0 moa Andoharanofotsy.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny

Card image cap