teo tetsy amin'ny kianja Elgeco Plus nanoloana ny Uscafoot. Niady ihany ny baolina saingy ho an'Antsirabe teo amin'ny lazon'ady satria tany amin'ny fanalavam-potoana no nampiditra ny baolina tokana ny Inate. Teo amin'ny lalao faharoa natao omaly indray dia resin'ny CFFA 2 noho 1 ny Zanakala izay azo lazaina fa tsy nitsanga-menatra. Efa nisy baolina faharoa matin'ny Zanakala aza fa voadona i Mika mpiandry tsatokazo dia nolavin'ny mpitsara izany. Tsy nisy nokianina rahateo ny fitsarana nataon'i Andofetra Rakotoarijaona fa tena nanao ezaka lehibe izy aloha hatreto. Ny CFFA no nanokatra ny isa tamin'ny alalan'i Anito "Mota" (23) saingy nosahalan'ny Zanakala izany raha vao nanomboka ny fidirana faharoa. Mbola nahafaty indray anefa Andoharanofotsy ka io isa 2 noho 1 io no nisarahana. Na izany aza dia mbola mitohy ny dianlny Zanakala izay vao nanilika ny AS Fanalamanga nandritra ny fiadiana izay ho tompondakan'i Madagasikara izay karakarain'ny CFEM.
Ireo ampahaefa-dalana roa kosa dia ho tontosaina ny 12 sy 13 jona satria manana mpilalao voatazona any amin'ny Barea ny ekipa roa. Nina izay Elgeco Plus ary Tendry sy Andy indray dia mpilalaon'ny Disciples. Marihina moa fa tsy maintsy tongz any amin'ny CAF mialohan'ny 30 jona ny anaran'ireo klioba tompondaka sy tompon'ny Amboara .
Clément RABARY
Manomboka tafiditra tsara i Rayan Raveloson ao amin’ny BSC Young Boys
Ny alahady teo no niala teto Madagasikara ny mpanazatra vaovaon’ny ekipam-pirenena