airtel

Sport

25-avril-2024

Baolina kitra

Any Nosy Be i Malabary

Sample post image

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

25-avril-2024

Noraisain'i Anatole, filohan'ny ligy teny amin'ny seranam-piaramanodina ity kintan'ny baolina kitra izay niaraka tamin'ny vady aman-janany. Marina fa tonga hiala sasatra i Malabary fa tsy manakana azy hizara traikefa izany.Efa mpilalao tao amin'ny Sotema ary nandalo kely tao amin'ny Léopards Saint André tatsy La Réunion mialohan'ny nilalaovany an-taona maro tao amin'ny Racing club de Lens. Efa nanazatra ny Club M koa i Malabary ary efa talen'ny toetam-piofanan'ity klioba ity. Tena voky traikefa raha i Malabary ary mety to teny ihany koa eo anatrehan'ny mpilalao malagasy mila ravinahitra any Eoropa. Misy resaka mandeha koa aza fa raha hanolo an'i Roro Rakotondrabe ihany aza tsy aleo ve miantso an'i Malabary.Ny mety ho olana kely dia eo amin'ny karama satria ho sarotra amin'ny Federasiona ny mandoa vola mihoatra ny azony any Lens. Sa angaha dia hoe fitiavana ny tanindrazana.
Clément RABARY 

Dans la même rubrique