Efa misy mihitsy ireo mpanohana no manenjika azy saingy hatreto aloha dia mbola arovan'ny mpanazatra ilay Frantsay Patrice Beaumelle izy "Manan-talenta izy ary hanampy azy be dia be ny fahatongavan'ny vadiny aty", hoy Ingahy Beaumelle ary mbola nampiany hoe"Tsy manana faharetana ireo mpijery fa izaho mino fa hiverina amin'ny heriny izy". Mety tafajanona any Alzeria ihany izany Rakool raha io fanehoan-kevitry ny mpanazatra io Ary rehefa alalinina dia mety ny fiovana azo lazaina ho mahery vaika niainany no niteraraka io somary fitavizavozana io satria niova tanteraka ny fiainany eny fa na dia ny sakafo hohaniny aza. Efa volabe no azon'ny tamin'ny saram-pifondrana fa mbola niampy ilay 50 tapitrisa ariary avy tamin'ilay prize money. Raha mijery tsy mizngatra izao Rakool dia tokony mijery ny Five FC nipoirana eny fa na dia Pasitera Julien koa aza.
Clément RABARY
Taorian'ny nanehoany hevitra sy nilazany ny tsy mety raha ny mikasika ny fifidianana izay ho filohan'ny federasiona