airtel

Sport

19-avril-2024

Baolina kitra

Azo saziana kay ny mpitsara…

Sample post image

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

19-avril-2024

Nahazo karatra mena tsy lera mantsy i Araujo vodilaharan'ny FC Barcelone raha vao 27 minitra nilalaovany. Ary dia nanao izay danin'ny kibony ny PSG satria nilalao 11 noho 10 ary amin'izay indray i Araujo izay tena herin'ny fiarovan-tena no noesorina. Nisy zavatra tsy nazava izany tao dia iny no nahatonga ny FIFA hanasazy. Hay ve moa izany azo saziana ny mpitsara koa nahoana no nangina fotsiny ny CFEM raha nomen'ny mpitsara karatra mena i Rado izay vodilaharan'ny Zanakala raha nihaona tamin'ny 3FB. I Rado anefa tamin'io nieritreritra hametraka ny rindrina ary nohemotra ka nahavoadoana tsy nahy ny mpitsara izay tsy nisalasala namoaka ny karatra mena. Ary na tsy tombony hoan'ny 3FB aza okay izy dia ny Elgeco izay hihaonan'ny Zanakala manaraka tao Ampasambazaha no tena nahazo tombony. Mbola nisy resaka Elgeco koa anefa ny mpitsara anjorony izay avy any Antsirabe 2 raha nihaona tamin'ny Disciples FC teo amin'ny By Pass. Nisy baolina matin'ny Disciples nefa dia natsangan'ity iray fiaviana amin'ny filoha mpanorina ny Elgeco no mbola filohan'ny FMF, Alfred Randriamanampisoa. Mbola azo tondroina molotra koa ireo nitsara ny lalaon'ny 3FB sy Dato tao Andaboly saingy tsy nisy resaka mihintsy na ny FMF na ny CFEM saingy mandra-pahoviana. Dia ho gaga ve ianao raha i Dimby irery izay mpitsara anjorony vao misandratra no nofidian'ny CAF ho any amin'ny CAN tany Côte d'Ivoire teo. Isika anefa hatramin'izay dia nihevitra fa mafy be ry Andofetra Rakotoarijaona sy Abdoul Kanoso Ohabee hany ka lasa manontany tena hoe fa nisy inona ?
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

Mafy, tena mafy ity Miotisoa Rasendra ity raha samy junior ihany.

Card image cap
30-avril-2024

Nafana indray teny amin’ny kianja Ampasaborona Ambohidroa eny Ambohimanarina ny alahady lasa teo,

Card image cap
30-avril-2024

Afaka ny gadran'ny FSBM. Raha ny heno farany mantsy dia efa nofafan'i Claude Azéma

Card image cap