ambony latabatra aloha dia misy miteny fa lasan'ny Sénégal io saingy ambony kianja indrindra fa hitodiana ny nataon’ireo ekipa roa taty Alzeria dia tsy ampihambana no hilazana manatombo ny Malagasy. N'a tranokala serasera an'ny federasiona sonegaly aza dia manamarika fa tokony tena hitandrina ny Liona fa ekipa farany tsara hatramin’izao ireto Bateau ireto. Tsara fiarovan-tena manana mpanafika hikoahizana ary indrindra mamoaka rindran-dalao avo lenta hany ka ireo Alzerianina tompon-tany aza dia babo. Tsy hoe babo fotsiny fa narahina asa avy hatrany ary lasany ambongadiny hatramin'ny 2026 i Rakoul Koloina Razafindranaivo. Ny Union Sportive Mouloudia d'Alger izay ekipa nanombohan 'i Carolus Andriamahitsinoro ihany. Ara-tantara dia ry USMA ity ihany no resin'ny FC BFV nosy an'i Roro tamin'ny 1989. Eo amin'izany fifindrana Izzy dia ré koa Izao fa lasa atsy La Réunion koa i Rojo Be Ajesaia Ary hilalao ao St Paul izay ekipa nisy an-,dry Fred be sy Said. Tsy hijanona eo anefa ireo fividianana mpilalao fa Mbola isan'ny be mpanontany koa i Berajo sy Nina ary Lalaina sy Tsiry. Ny « englobant » rehetra raha tsorina Ary efa ampoizina ihany izany. Rehefa be mpanohana toy izao ny kitra malagasy dia test maintsy hisy vokatra tsara. Mandra mpiandry aloha dia aleo ny lalao anio amin'ny folo ora alina no hatrehina. Alefa zalahy a !
Clément RABARY
Taorian'ny nanehoany hevitra sy nilazany ny tsy mety raha ny mikasika ny fifidianana izay ho filohan'ny federasiona