airtel

Sport

17-mars-2023

Sport

Baolina kitra Hahazo kianja amin’izay ny CFFA

Sample post image

Izay vao raikitra. Roa taona taorian'ny tsy nahafahan'ny CFFA nandeha tany Luanda hiatrika ny lalao miverina

17-mars-2023

hihaonana amin'ny Petro Atlético no efa nampanantena kianja ho an.ity klioba Ity ny filoha Andry Rajoelina saingy izao vao raikitra Nanazava na niala tsiny moa ny Filoha omaly fa nananosarotra ny fitadiavana ny tany satria tany mbola mila totofana no hitan'i Tota, ben'ny tanànan’Andoharanofotsy sady filoha ny CFFA sady mbola filoha ny Ligy Analamanga sy ny Pro League ohany. Hany herin'ny Filoha Andry Rajoelina dia ny nanome ampahana, betsaka satria raha ny resaka dia kianja lehibe, ny tao anaty tokotan'Iavoloha. Safidy moa izay ka tsy dia hidirana lalina satria heverina fa ho lasa fananam-panjakana ilay toerana . Na izany na tsy izany ety ampiandohana dia tsara hapetraka fa raha tena manarapenitra marina ilay izy ka hisy toerana marobe dia tokony mba hatao bozaka amin'izay toy ireo kianja makaza erantany toa ny Maracana any Rio, Allianz Arena any Munich, Bernabeu any Madrid, Camp Nou any Batcelone. Santionany vitsivitsy ihany ireo fa ny hisarihana ny saina dia nahita ireo Barea CHAN voatery nizatra nilalao ambony bozaka satria tsy mba nahazo teo Mahamasina nefa ny Pro League dia nsnpiasa ireo bozaka tsy voajanahary. Tsy ho sarotra rahateo ny mikohakoha ny bozaka satria fantatra fa ampy rano eny Iavoloha ary inoana marina fa tsy hanao tandrevaka amin'izany ny Jirama raha mbola tia ny asany. Manginy fotsiny ny fahatsaran'ny toetr’andro sy ny toe-tany eto amintsika.. Misy orana tsy dia mafana sady tsy misy ranomandry ka tena mety fa mila finiavana hanao zavatra tsara Ilay tena tsara fa tsy ilay marapenitra toy ny mahazatra. Aza adika vilana anefa ka hoe tsy ilaina ireo kianja sintetika fa ny marina dia ilaina ireny raha entina hampiasaina noho izy azo ampiasaina 24/24. Fa rehefa avo lenta ny resaka dia bozaka tsotra no fampiasa.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap
25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap