airtel

Sport

07-avril-2022

Sport

Baolina kitra Hanangana Akademia eto ny Paris Saint-Gérmain…

Sample post image

Ao anatin’ny vina hoenti-mampiroborobo ny kitra Malagasy, hitsangana eto Madagasikara tsy ho ela ny ivon-toeram-panofanana, tanineketsa hanomanana sy hamolavolana ireo tanora ho matihanina amin'ny baolina kitra dia PSG Académie

07-avril-2022

 

, izay eo ambany fiahian'ny Klioba Frantsay matanjaka PSG (Paris Saint-Germain), raha tsy misy ny sampona. Norasin-dRtoa Nadia Benmokhtar tompon'andraikitry ny PSG Académie tany Boulogne Billancourt ny 30 martsa mantsy ny mpanazatran’ny Barea Eric Rabesandratana, raha ny vaovao ofisialy avy amin’ity mpanazatra ity. Nandritra io no namosahany ny resaka mba hananganana ny PSG Académie iray na maromaro eto Madagasikara. Karazana velirano sy finiavana hitondra anjara biriky ho an'ny kitra Malagasy amin'ny maha olom-pirenena ny an-dRabesandratana araka ny nambarany, ka nandrosoany teo anivon'ny PSG io soso-kevitra hananganana PSG Académie eto Madagasikara, ary heverina fa nanamora ny làlana ny efa naha kapitenin’ny PSG azy. Tsy vaovao aminy rahateo io satria efa nanangana ny PSG Academy tany Miami Etazonia ny tenany. Tanjona ny hanome herijika ny talentan’ireo taninketsa Malagasy hisandratra. Hifototra amin'ny famolavolana, fanofanana, fanazarana, hampivoarana ny talenta,... ahafahan'ireo mpilalao Malagasy tanora manomantena amin'ny sehatra matihanina hahafeno ny fepetra takian'ny amin'ny baolina kitra avo lenta,... Hisokatra ho an’ny rehetra eny fa di aireo tanora avy amin’ny akademia hafa efa misy aza. Rehefa dinihina tsy misy ny olana amin'ny lafiny teknika, ary voalaza fa ho avy tsy ho ela eto Madagasikara i Éric Rabesandratana sy ireo ekipa teknikan'ny PSG hijery sy handamina ireo pitsopitsony hoenti-manatanteraka ny tetikasa goavana ho fanandratana ny kitra Malagasy io. Ny any amin’ny ekipa Afrikanina sasany, dia maro ny PSG Académie nakaton’ny PSG noho ny fitsabatsahana ara-politika ataon’ny manam-pahefana ao amin’ilay firenena, ka irariana mba tsy ho tratran’ny tahaka iza ny eto Madagasikara, izay nahazo herijia vaovao. Hisy ny fangatahana fihaonana amin’ny Minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena hanamorana ny fanatanterahana ity tetikasa ity, raha ny vaovao ofisialy voaray. Andrasana ny tohiny!
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Tandindonin-doza ny baolina kitra malagasy. Ambeti-tenin'i Tatseraky Marcellin izany raha tafaresaka taminay izy.

Card image cap
15-avril-2024

Niovaka ny didy tsy azo hivalozana fa tsy mahazo handraisana lalao intsony ny Kianja Barea.

Card image cap
15-avril-2024

Tsy niova ny filaharana taorianan'ny andro fahafito ny Pure Play Football League.

Card image cap