fifaninana goavana kaontinantaly sy iraisam-pirenena. Raha amin’ny heriny anio no hanomboka ny Copa Amerika, dia hanomboka anio ny « Euro 2024 » any Allemagne ho an’ny tontolon’ny baolina kitra Eoropeanina, lalao isan’ny andrasan’ny mpanaraka maneran-tany noho ny lenta sy haavo teknikany satria any Eoropa aloha no misy ny fifaninana matanjaka maneran-tany na eo amin’ny lafiny klioba na ny ekipam-pirenena, ary saika ho tazana handrafitra ny ekipam-pireneny avokoa ireo kalaza maro any Eoropa. Firenena miisa 24 no mandray anjara, mitsinjara Vondrona 4 ka toy izao izany : Vondrona A : Allemagne, Ecosse, Hongrie, Suisse. Vondrona B : Espagne, Croitie, Italy, Albanie. Vondrona C : Slovenie, Danemark, Serbie, Angleterre. Vondrona D : Pologne, Pays Bas, Autriche. Vondrona E : Belgique, Slovaquie, Romanie, Ukraine. Vondrona F : Turquie, Georgie, Portugal, Republique Tchèque. Ny Vondrona B no heverina fa «groupe de la mort » satria ao anatin’io i Italie tompondaka farany tamin’ny 2020, Espagne ary Croitie izay tena ao anatin’ny heriny. Ity no heverina fa fandraisan’anjara farany amin’ny Euro ho an’i Cristiano Ronaldo, fandraisan’anjara faninenina ho azy ka ny 2004 izy ireo dia nanao famaranana, ary ny 2016 kosa no tompondaka ny ekipam-pireneny dia i Portugal. Euro farany ho an’i Toni Kroos mpilalaon’ny Real Madrid ihany koa. Allemagne, France, Angleterre, Espagne hatreto no anisan’ny sokajian’ny mpanaraka baolina kitra ho « favoris » ho an’ny Euro 2024. Na izany aza, tsy misy azo hamaivanina ireo mpandray anjara, ary betsaka ny mety tsy hampoizina, hangotraka ny Euro 2024. Hanokatra ny lalao anio amin’ny 10 ora alina i Allemagne sy Ecosse.
Toky R
Tontosa omaly ny antsapaka mikasika ny fizaram-bondrona amin’ny Fiadiana ny CHAN 2024.
Nilatsaka ny fanapahan-kevitry ny CAF (Confederation Africaine de Football) omaly 14 janoary 2025,