airtel

Sport

25-avril-2024

Sport

Baolina kitra Harenina ny tambin-karaman’ny Barea…

Sample post image

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

25-avril-2024

Voalohany amin’io nankatoavana ny handraisana ny Africa Cup Fiba basket-ball 3x3 eto Antananarivo, ny 29 novambra hatramin'ny 1 desambra 2024 ao amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina. Nankatoavina ihany koa ny fanekena ara-bola ho fanarenana ireo tambin-karaman'ny BAREA A. Nisy disadisa io resaka tambin-karama io ary olana foana ho an’ny ekipam-pirenena, ka niditra an-tsehatra indray izany ny Fanjakana saingy mbola baraingo hoe: manomboka rahoviana sy haharitra hafiriana ary hitondra ohatrinona ? Sa toromarika no atao fa ny federasionina no manao izay hahatanterahany? Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny fanomezan-dalana manokana hanitsiana ny famindram-bola mifanaraka amin'ny fandraisan'anjaran'i Madagasikara amin'ireo fifaninana sy lalao iraisam-pirenena sy ny fandraisana an- tanana ireo hetsika laharam-pahamehana ho an'ny tanora. Anisan'izany ny Tsenaben'ny Tanora, fanofanana ireo mpanentana sy mpampiofana ao amin'ireo "ecoles sportives" mba hahafahana mampiasa ireo fotodrafitrasa ara-panatanjahantena manara- penitra sy ho fanomanana ireo taniketsan'ny fanatanjahantena ao Betafo, Morondava, Mahajanga I sy Toamasina I. Eo ihany koa ny fanamafisana ny traikefan'ireo tanora tantsaha mpitarika 850 eo amin'ny lafiny fandraharahana sy ara teknika. Izany no atao mba hanehoana fa tena vonona hatrany hanampy ny atleta sy ny tanora ny fitondram- panjakana ka tokony arahina maso tsara ireny tetikasa sy fanampiana isan-tsokajiny ireny mba tena hipaka tokoa any amin'izy ireo, hoy io tatitry ny filankevitry ny Minisitra.
Toky R

 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Efa any Serbia ny Ankoay 3x3 manomana ny fiadiana toerana ho any amin'ny Lalao Olimpika any Paris

Card image cap
03-mai-2024

Hatramin’ny 1 may teo no efa heno fa voasazy tsy afaka milalao baolina kitra mandritry ny 2 taona i Rajomazandry Andrinirina na i Joma,

Card image cap
02-mai-2024

Mafy, tena mafy ity Miotisoa Rasendra ity raha samy junior ihany.

Card image cap