airtel

Sport

27-janv-2021

Sport

Baolina kitra Hilalao any Algérie i Arnaud

Sample post image

Rehefa niezaka nitady lalana tany Eoropa am-bolana maro mba hidirana amin’ny

27-janv-2021

 

 

 

sehatra maha matihanina eo amin’ny baolina kitra dia fantatra ankehitriny fa hijanona eto Afrika ihany ilay lohalaharana Malagasy, Arnaud Randrianantenaina na Arnaud Randria, eo amin’izay sehatra maha matihanina eo amin’ity tontolo ity izay. Izy izany no mpilalao Malagasy malaza faha 3 hiditra ao anatin’ny fifaninanam-pirenena Alzerianina ho an’ny sokajy divizionina voalohany taorian-dry Carolus Andria sy Ibrahim Amada. Eo am-pamaranana ny dingana rehetra ahafahana manao famindrana ankehitriny ny klioba Malagasy, Elgeco plus, izay ilalaovany amin’izao, sy ny klioba tokony hifindrany ao Algeria dia ny MC Alger, raha ny fampitam-baovao voaray farany. Raha tsy misy ny sampona dia tokony hanainga eto Madagasikara hihazo an’i Alger atsy ho atsy ity lohalaharana Malagasy vao 20 taona sy 24 andro ity.

J. Mirija

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Inona no mahazo ny tsipy kanetibe no toa tsy mbola isan'ireo taranja hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika

Card image cap
19-avril-2024

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

Card image cap
18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap