airtel

Sport

20-avril-2023

Sport

Baolina kitra Hitondra ny Barea U20 i Amada Aboudou

Sample post image

Fantatra izao fa voatendry hitondra ny Barea latsaky ny 20 taona indray i Aboudou Amada izay tsy iza fa rain' i Ibrahim ilay kapitenin'ny Barea A ihany.

20-avril-2023

Hifandovana amin'izy mianaka izany ity resaka Barea ity. Tsy msninona izany raha ho vitany satria tsy mora ny manaraka eo fa handray anjara amin'ny COSAFA U20 sy ny Lalaon'ny Frankofonia io ekipa ho entiny io. Ny fanontaniana dia ny hoe raha tsy handray karama mitovy amin'i Nicolas Dupuis ve izy dia mba omena fitaovana entina miasa toy ny fitsirihina ireo taninketsa any ivelana sy ny fiaraha-miasa akaiky amin'ny UFICASM? Raha hiresaka ity farany mantsy dia efa manana ny vonona ry Solo Raharijaona satria mbola maro no tafiditra U20 ireo nalahatra tamin'ny U23. Raha tsy hiteny afatsy Zizou Guy mpilalaon'ny Troyes U 19 izay laharana faharoa eo amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Lafrantsa isika. Amada rahateo tsy hatoro voanjo hadiana fa miankina amin'ny enti-manana ihany io. Efa tao anatin'ireo teknisianina namolavola ireo ekipa voafantina isam-paritra rahateo ity mpilalao tao amin'ny COSFAP taloha ity ka heverina fa manana paikady matotra. Tsy dia azo lazaina toa an' Amada kosa anefa ireo olom-boatendry hitantanana ny Barea Beach Soccer sy ny ekipa voafantina vehivavy. Fantatra omaly mantsy fa izany Boris Andriamahery izany no hitandra ny beach soccer raha Béatrice Theodore kosa no hitarika ny vehivavy. Samy mbola vaovao eo an-tsehatra ireo olona roa ireo nefa iza no mahalala fa eo isika mahita izy hoy ny fiteny amin'izao.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap