airtel

Sport

10-juin-2024

Baolina Kitra

Ho mafimafy ny miandry ny Barea

Sample post image

Rahampitso amin'ny 4 ora no hidona amin'i Mali ny Barea ao amin'ny FNB Stadium atsy Johannesbourg.

10-juin-2024

lalao izay tafiditra amin'ny andro fahaefatra amin'ny fifanitsanana amin'ny hiatrehana ny Amboara eran-tany 2026.Ity lalao ity no mamaritra ny ho avin'ny Barea raha ho tafita izy na tsia. I Mali mantsy no voalohany amin'ny filaharana anatin'ity Vondrona ity ka raha ny lojika dia izy no mety ho afaka. Nodisoan'ny Ghana anefa izany satria dia resiny 2 noho 1 ireto Mali ireto. Midika izany fa na mafimafy aza dia azo atao ihany no landtesy ireto Voromahery malianina ireto.Tsy arakara-tarehy marina satria raha ny mpilalaony dia tena avo lenta avokoa izy eo ambony kianja. Ny vodilaharana fotsiny dia milalao ao Montpellier izany hoe Ligy 1 ary ahitana an'i Sacko, Boubacar Kouyaté ary Molido Sagna. Mbola ao anaty 11 koa i Amadou Haidara ( RB Leipzig) sy Mohamed Camara (Monaco).Miampy ireo mpilalaon'ny RB Salzburg izay laharana faharoa ao Autriche ka isan'izany i Mamadi Diambou, Daouda Guindo ary Nene Dorgelès sy Sekou Keita. Raha resin'i Ghana izay tsy naharesy Barea raha tsy tany anaty fotoana fanampiny anefa i Mali dia misy irika ihany. Efa ireny najoro ireny aloha tokony mety fa tsy tokony ho tara koa ny fanoloana ireo zokiolona toa an'i Carolus, Amada ary Couturier.Mbola mahazaka dona ihany koa i Titouan Safidy na dia manadala aza fa tokony soloina an'i Millimono.Tsara ny fahatongavan'i Fabien Boyer ary ho sarotra ny safidy satria mbola ao i Thomas Fontaine sy Louis Demoléon.Azo atao koa anefa ny mandahatra avy hatrany an'izy telolahy ireto saingy hikorontana indray ny ao afovoan'ny kianja. Betsaka ny zavatra azo hatao ary tokony araraotina ny fahatongavan'ny Mali tara satria anio maraina ry zareo vao ao Johannesbourg.Misy rahateo ireo tena azo ampiadiana rehefa amin'ny fizaram-potoana faharoa toa an'i Tsiry sy Ando Pro eny fa na i Rojo Be aza raha tahina manala an'i Amada sy Couturier.Miakina amin'izay safidin'i Roro Rakotondrabe ihany anefa izany rehetra izany. I Roro izay nahazo hery taorianan'iny fandresena ny Cœlacanthes iny.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap